Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aleo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aleo
Hampiditra ohabolana
151.
Aleo maty rahampitso toy izay maty androany
JMR
152.
Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy
JMR
153.
Aleo matoky tapany toy izay mangovitra erany
McFy
154.
Aleo joko mihasolanga toy izay solanga mihajoko
mandrindra
155.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
156.
Aleo tsy tiam-bady toy izay tsy tian-drafozana
jentilisa
157.
Ny voky tsy mahaleo ny tsaroana
McFy
158.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
159.
Aza manao horirik'Ambohipeno : aleo ho lo toy izay ho an-kavana
hery
160.
Aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpandainga
JMR
161.
Aleo solanga mihajoko, toy izay joko mihasolanga
JMR
162.
Aleo halan'Andriana, toy izay halam-bahoaka
DIDIH
163.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
164.
Aleo maty toy izay menatra
McFy
165.
aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka
jentilisa
166.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hotezerana
McFy
167.
Horirik'Ambohimanambola: aleo lo toy izay ho an-kavana
jentilisa
168.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
vale
169.
Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy
Fanja1
170.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
lanto
171.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
lanto
172.
Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana
hery
173.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
Voalohany
Mialoha
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0214