Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aleo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aleo
Hampiditra ohabolana
151.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka
JMR
152.
Aleo maty rahampitso toy izay maty androany
JMR
153.
Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy
JMR
154.
Aleo matoky tapany toy izay mangovitra erany
McFy
155.
Aleo joko mihasolanga toy izay solanga mihajoko
mandrindra
156.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
157.
Aleo tsy tiam-bady toy izay tsy tian-drafozana
jentilisa
158.
Ny voky tsy mahaleo ny tsaroana
McFy
159.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
160.
Aza manao horirik'Ambohipeno : aleo ho lo toy izay ho an-kavana
hery
161.
Aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpandainga
JMR
162.
Aleo solanga mihajoko, toy izay joko mihasolanga
JMR
163.
Aleo halan'Andriana, toy izay halam-bahoaka
DIDIH
164.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
165.
Aleo maty toy izay menatra
McFy
166.
aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka
jentilisa
167.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hotezerana
McFy
168.
Horirik'Ambohimanambola: aleo lo toy izay ho an-kavana
jentilisa
169.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
vale
170.
Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy
Fanja1
171.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
lanto
172.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
lanto
173.
Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana
hery
174.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
Voalohany
Mialoha
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0226