Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aleo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aleo
Hampiditra ohabolana
61.
"Raha fitia mizarazara, aleo misaraka no tsara"
mpoon
62.
"Aleo sakafo anana hampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asiann-dromoromo" Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay harem-bevava azo amin'ny tsy rariny"
mpoon
63.
Aleo lozabe ahombiazana toy izay malemy tsy azo
niryna
64.
Aleo vandana imaso toa izay kary afenina
niryna
65.
Aleo mifanena amin'ny mpamosavy, toy izay mifanena amin'ny mpandainga
tianarivo
66.
Ny teny ratsy mahaleo tena, ny teny tsara mila fampiharana
Crionlas
67.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
68.
ny lainga marivo tototra tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
batteur
69.
Raha miady izahay sy ny azy tsy aleon'ny naterany
niryna
70.
Aleo meloka amin'olombelona toy izay meloka amin'Andriamanitra
niryna
71.
Belamaody tsy ampy sakafo ka aleo miakanjo toy izay noana.
ZEMJOS
72.
Aleo vady manam-panahy toy izay vehivavy tsara tarehy.
aivetinakely
73.
Aleo saina mahiratra toy izay vola be am-bata.
aivetinakely
74.
Harato atsipy anaty rano, aleo miverina mitondra tsiboboka, toy izay mitranga misalampina bibilava.
aivetinakely
75.
Aleo kely manan-tsaina toy izay be tsy mahataka-davitra.
aivetinakely
76.
Aleo miandry fatin-drafozana, toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
77.
Aleo mipitrapitra mampalahelo toy izay mivandravandra mampatahotra.
aivetinakely
78.
Aleo vandana imaso, toy izay vandana ivoho
niryna
79.
Tsy mahaleo mora, hoatra ny mpantsaka
niryna
80.
Aleo alan'Andriana toy izay alam-bahoaka
elyzo
81.
Aleo mipitrapitra mampalahelo toy izay mivandravandra mampatahotra.
aivetinakely
82.
Aleo miady toy izay mankany Ankaratra tsy misy olona
niryna
83.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
84.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
sylvoalias
85.
Aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka.
aivetinakely
86.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaon-tao foana hanala-baraka.
sylvoalias
87.
Sempotra amin'ny zavatra tiany toy ny mpandihy andavenona.(ka aleo maty toy izay hiala maina).
sylvoalias
88.
Aleo vanda-miamboho toy izay vanda-manatrika.
desirelyaime
89.
Aza mitaraina tana-miepaka fa aleo ny asany no hitsarana azy
niryna
90.
Aleo fody kely ampelantanana toy izay voromailala ambony tafo-trano(ohabolana Slovakia).
sylvoalias
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0219