Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe arak
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
arak
Hampiditra ohabolana
151.
Sola miondam-boatavo, ka tafaraka samy malama
manase
152.
Sola niaraka ihany rasta ve vao ifanary
rafozanasket
153.
Mpamarakin'ny Toliara io lehiroa ka tsy miroro haly
roscarb
154.
Mizelazela ka te ho hita, manahaky mpamarakin'ny Tsianaloke
roscarb
155.
Sira raraky andriaky, tsy vaovao fa teo no niala!
roscarb
156.
Mpamaraky tsianaloky migeste, ndra drala raiky tsy amposo!
roscarb
157.
Miteny tsy afa-tsiny toy ilay tovolahy manambady rafotsy be, itositosiana toa renibe, hilaozana nefa anjaran'ny tena, loa-bary sisa iononana, mihinana fa izay voky maharaka ny namany
ramix
158.
miteny tsy afa-tsiny toy ny rafotsibe mihinan-kitoza, ny tsiro no tadiavina ka ny ivy no raraka
ramix
159.
ry iano mila ampela, sira araraky an-driaky!
roscarb
160.
aleo miaraka lavitra @olona anakiray tohizay tsy misy fihafarana @olona be dia be
Enouf
161.
izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika
kavaly
162.
Rafotsibe nihinan-kitoza, tsiro no nantenain-ko azo, kanjo ny hivy no niraraka. Boka nihinan-kitoza, ny manala ny kaka no ady mafana
rakekely
163.
Aza manao toa an-drafotsibe nihinan-kitoza, tsiro no nantenain-ko azo, nefa ny hivy no niraraka
rakekely
164.
Antitra manao baolina : ny traikefa avo dia avo fa ny hoza-pe no tsy maharaka intsony.
Valia
165.
Toy ny soabakaka miaraka aman-tsahahona, ka ny lehibe no adala
zouzou
166.
Maimay hivady ka dodona hisaraka
zouzou
167.
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry fa avy manaraka tahaka ny alika.
ftma
168.
Rano raraka tsy azo raofina intsony
doum
169.
Izay mitambatra vato izay misaraka fasika
doum
170.
Anamamy niaraka ihany ka beroberoka vo mifanary
doum
171.
Raofina ihany toy ny lainga, fa raha feno miraraka.
jentilisa
172.
Aviavin'Imaroadabo, vao donina dia mirarak'ompana.
jentilisa
173.
Izay azo avy amin'ny makarakara dia hivoaka amin'ny kiloadoaka
JMR
174.
Izay voky no maharaka ny namany
JMR
175.
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo
JMR
176.
Tsy mety raha fony tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary.
jentilisa
177.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
178.
ny ankizy no manao ny tsy mety ka ny ray aman-dreny no afa-baraka
jentilisa
179.
Izy mivady no misaraka, ny ankizy no kamboty velon-dray aman-dreny.
jentilisa
180.
arakara-tarehy voa-javatra
jentilisa
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0447