Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe elon
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
elon
Hampiditra ohabolana
151.
Ny fikasana no an'ny olombelona fa ny tendry an'Andriamanitra
Vetso
152.
Izy mivady no misaraka, ny ankizy no kamboty velon-dray aman-dreny.
jentilisa
153.
manao toy ny kaboné ka hamanizana vao velon'kira
ramuscle
154.
Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga
jentilisa
155.
ny anongotsongoana ny maty, tahotry ny handevim-belona.
jentilisa
156.
Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro
McFy
157.
Aza mamelon-jana-baratra andrao iriatany
McFy
158.
Mahery tsy maody tsy mba ela velona
McFy
159.
Ny olombelona tsy main-tsy lena
jentilisa
160.
Faniriana an'olombelona zaka an'Nanahary
jentilisa
161.
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
lanto
162.
Mahery tsy maody tsy ela velona.
lanto
163.
Ny mahery tsy maody tsy ela velona
hery
164.
Ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona
hery
165.
Tandremo ny hanan-drariny ; fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saromifanaikitra
hery
166.
Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo, raha fotorana iray ihany.
lanto
167.
Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany
lanto
168.
Ny olombelona toy ny embok'akondro, raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
169.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
eugene
170.
Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia
eugene
Voalohany
Mialoha
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0927