Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maty
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maty
Hampiditra ohabolana
151.
Maty vao mahiratra toy ny mpamosavin'ny jamba
DEDAKE
152.
maty be tampon-kindy, ka voninahitrin'ny tompombady
miara
153.
Manao faty besakoa laha maty mianky
kalamimi
154.
Manaova toy ny Tantely, maty namela mamy
tovolahy007
155.
Ny marina tsy mba maty ka na mihafina aza hita ihany
arina
156.
laha ho maty aho, matesa ry iano, laha ho maty ry iano, matesa ry aomby
roscarb
157.
Rafotsibe kendam-bomanga, maty noho ny nasesiky ny tanany!
jajaf401
158.
Velona tsy raharahiana ka maty vao hitomaniana
danibe
159.
Manankarena mahihitra, maty vao misy mpilanja.
jefra
160.
Maty tsy alevin-kavana toy ny alika.
jefra
161.
Tsy misy malahelo toy ny maty vady rehefa manitsaka androngo mitsinjaka ihany.
jentilisa
162.
Maty be volon-tratra hegnatra ny velogno
salim
163.
raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby, .....
doum
164.
Velona iray trano maty iray fasana
doum
165.
Ny marina tsy mba maty
doum
166.
ny nambolen-tsy naniry, ny nasosoka maty maso
jentilisa
167.
Aza matahotra fa tsy misy tondroina dia maty
jentilisa
168.
Maty mamela mamy tahaka ny tantely
jentilisa
169.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja
jentilisa
170.
Ampananona no maty vady ka Ambohitrandraina no miongo-bolo
jentilisa
171.
Ikalamomba tsy tian-dahy ka maty vao Ramalala
jentilisa
172.
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
jentilisa
173.
Manararaotra hoatran'ny olon-droa mandihy maty jiro
JMR
174.
Fitia tany, velona irezarezana, maty itsilanesana
jentilisa
175.
Izay mahasahy maty no mifono lambamena
JMR
176.
Aleo maty rahampitso toy izay maty androany
JMR
177.
ny arivolahy tsy maty indray andro
jentilisa
178.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
179.
Atody makakoa latsaka an-dalana, samborina izy maty ny ray; avela izy, maty ny reny.
ftma
180.
Manantena tsy maty toa an-dradranobe mifehy lavenona,
McFy
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0187