Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2011.
Vitam-boka ka tsy azo ianteherana.
Razatovo
2012.
Ny làlana misy sisiny, ny akanjo misy sosony, ny kidoro misy sesiny, fa ny teny misy sasiny!
Razatovo
2013.
Atoandro fitery ronono, ka ilaozan'ny omby mihahaka
Razatovo
2014.
Aza maika ohatra ny boka hanambady!
Razatovo
2015.
Hanky va re! hoy ny Synoda
Razatovo
2016.
Aoka tsy hanao toy ny mpirafilahy miray fandriana, ka tsy afaka hiray lamba, na samy te-hiady amin'ny hatsiaka aza.
Razatovo
2017.
Aza miveraka!
Razatovo
2018.
tambatambazan-koambakaina, tiana ihany kanefa adalaina Ny Andri-Fara
Rapha
2019.
Vady tsy vita fômba ka raha tromban'Amboa, avy tsy kahiana
hery
2020.
Lokin'ny vady tiana, manta mahatana am-bôtraka, magôdra môra ateligny
hery
2021.
Ny anateran-kira indray no milaza tsy mahay.
walte
2022.
Izaho andrandrana indray ve no anafenana loha sola
niryna
2023.
Aleo lozabe ahombiazana toy izay malemy tsy azo
niryna
2024.
Tsy mba mipitrapitra mampalahelo fa mivandravandra mampatahotra toy ny tanalahy
niryna
2025.
Fisaka ny marina ka saro-patarina
niryna
2026.
Mihazakazaka tratry ny miadana toy ny bitro sy ny sokatra
niryna
2027.
Ny fihavanana ve? alavirina izy manantona, ankekezina izy mandositra
niryna
2028.
Aleo vandana imaso toa izay kary afenina
niryna
2029.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
2030.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka vao tsara
niryna
2031.
Vangavanga manan'endrika, sadasada manan-tsoratra
niryna
2032.
Totohondry diavolana, ny mazava iray ihany no voa
niryna
2033.
Mitondra entina hoatra ny tongotra
niryna
2034.
Tsy misy fetrany ny fanantaterahan-javatra raha toa ka tsy misy ny vokany sy ny ezaka ao anaty
niryna
2035.
Raha nomen'Andriamanitra antsika avy izay tadiavintsika dia efa nesoriny sahady ny zavatra tsara ambony indrindra amintsika
niryna
2036.
Rafotsibe nadika tatatra, mampalalaka ny efa nikombona.
walte
2037.
manalasala ohatran'ny volom-pitombenana, hongotana marary tsy hongotana mihazo-maloto
razion
2038.
be dohiaka ohatran'ny volom-pitombenana, efa tsofin'ny hetotra mbola mamikotra ihany
razion
2039.
aza mampiditra fahoriana in-droa toy ny zaza maditra, kely manataka ambany lehibe manataka ambony
razion
2040.
Ny hanina hanina fa ny harena mila vintana
08051972
Voalohany
Mialoha
66
67
68
69
70
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0162