Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2101.
Mangina manan-draha manahirana tahaka ny moana tia.
aivetinakely
2102.
Fitia voazara, ny maharitra no tompony.
aivetinakely
2103.
Vazon'ny tan-tsambo, ny ako sisa mampita.
aivetinakely
2104.
Lehilahy tia mampirafy, tsy hendry raha tsy lany harena.
aivetinakely
2105.
Akanga miara-dia, tsy fantatra izay ray aman-dreny.
aivetinakely
2106.
Adala misafidy, tsy ny tsara no raisina fa izay manintona.
aivetinakely
2107.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
2108.
Mivadika tahaka ny lohalik'alika, any aoriana indray no misy azy.
aivetinakely
2109.
Ny teny ratsy mahaleo tena, ny teny tsara mila fampiharana
Crionlas
2110.
Sitra-po tsy aretina, na maharary aza iaretana
Crionlas
2111.
Ny adala no tsy inoan'teny, na marina aza manahirana
Crionlas
2112.
Aza atao fitiavan'tsotro, rehefa ilaina vao tadiavina
Crionlas
2113.
"Arahabarahabao ny mpandalo fa tsy fantatra ze ho rafozana"
Crionlas
2114.
Tsy ambony tsy ambany otrin'ny rahona, tsy hay hidina tsy hay hiakatra
Crionlas
2115.
Za-dratsin'ny mangalatra, ka nony farany mifanena amin'ny mpaka kitay.
aivetinakely
2116.
Teraka omby fahavaratra ka sady lalao no harena.
aivetinakely
2117.
Very tadidy tia tantara ka ny andraso andraso no be.
aivetinakely
2118.
Miandra, miondrika tahaka ny vitsy, tsy lamaody fa tahotra fahavalo.
aivetinakely
2119.
Voadinika lava tahaka ny vady vao, mandeha voatsikilo, mipetraka voara-maso.
aivetinakely
2120.
Tsy misy fanafodiny tahaka ny hanigna, mionona ihany fa tsy zaka.
aivetinakely
2121.
Aza manao fanirin-drambon'omby, ny raviny indray no ambany.
aivetinakely
2122.
Aza manao tahaka ny tsipolotra, antitra vao tia sangy.
aivetinakely
2123.
Varotry ny boka, manintona saingy manalasala.
aivetinakely
2124.
Mazava ampidirana tahaka ny vovo, fa maizina ampivoahana.
aivetinakely
2125.
Saka voatapa-drambo, veloma ry fitsangatsanganana.
aivetinakely
2126.
Aza mitsako alohan`ny vazana
josiah
2127.
Tia randram-bao, ka bangon-drazana no ahilika.
aivetinakely
2128.
Zava-doza tahaka ny kankana mandimby mirana, sady mamoy aina no tsy mahate-hijery.
aivetinakely
2129.
Tsy mahataitra tahaka ny ranomason-jorery, izay miraraka de very.
aivetinakely
2130.
Lava vatana tahaka ny "train", tsy mahay afa-tsy ny mamanta-mahitsy miditra tonelina.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
69
70
71
72
73
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0161