Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2161.
Miloloha lanitra ka tsy maintsy lena, mandia tany ka tsy maintsy solafaka
niryna
2162.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
2163.
Vao aho tsy manitra ka rehefa lasa aho vao hoe mamerovero
niryna
2164.
brône niaraka ihany dia sola ve vao hifanary?
bobone
2165.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty na ny zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
niryna
2166.
Ny teny rehetra izay avoakan'ny vavanao no andraikitra lehibe ao aminao
niryna
2167.
Ny teny marina toy ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
niryna
2168.
Toy ny parakin'Amboatany:misy ihany fa mampandozaina
niryna
2169.
Fanitsiana kely:Aza mihantsy amboa hanaikitra ny tena
niryna
2170.
Hovalahy tsy hendry ka zaza-hova vao hiavo-tena
niryna
2171.
Valala akaiky fahafatesana ka ny mianika bozaka sisa fomban-drazana.
aivetinakely
2172.
Vinantovavy mahandro saonjo ka maty fosa hoe tsy te-hanome.
aivetinakely
2173.
Rafozan-tsarotiny ka ny zanaka no misolo vady isam-bolana.
aivetinakely
2174.
Volon'akoholahy lena ka ny vava no enti-manifika.
aivetinakely
2175.
Mena mason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
2176.
ny lainga marivo tototra tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
batteur
2177.
Ny mora tezitra mandranitra ady fa ny mahatsindry fo mitsinjo filaminana
RATOVOARY
2178.
Ty lia antoandro mijabalea, ty lia hale mitakiokioke (Ohatse Tandroy)
maeva74
2179.
Fotsimbary tsy ilaozan'akatatra, tanàna tsy ilaozan'adala [Rajemisa 1985]
maeva74
2180.
Akanga maro anaka, ny tsy eo akaiky no maro an'isa.
aivetinakely
2181.
Akanga niditry ny ala, handroso maty renibe, hihemotra maty raibe.
aivetinakely
2182.
Volon'akohoalahy lena ka ny vava no enti-manilika.
aivetinakely
2183.
Vitsika nahazo hanina, haza ny remby fa ny kibo hasiana no tsy misy.
aivetinakely
2184.
Vitsika mifanoroka lava, tsy de fitiavana fa fomban-drazana.
aivetinakely
2185.
Vitsika tsara trano, malaina mivoaka nefa tsy manan-kanina.
aivetinakely
2186.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
2187.
manahirana tahaka ny labozia amidy mafana andro afenina tsy hitan'ny olona, atranga miempon'ny hafanana
bobone
2188.
sasam-poana toy ilay mpanao zaridaina niompy ankoho
bobone
2189.
be vava nanjono pirina ; pirina no azo ka amalona no lazaina fa nanapa-tady
bobone
2190.
Tonga amin'ny ilana azy toy ny be vava miantso vonjeo
bobone
Voalohany
Mialoha
71
72
73
74
75
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0172