Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hita
Hampiditra ohabolana
211.
aza miady voanjo hadiana ka ny vodiny tapaka ny fakany tsy hita
ramuscle
212.
ny toky fitaka, ny atao no hita
jentilisa
213.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
214.
Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba hahita
McFy
215.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafĂ ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
216.
Ny tsiny toy ny rivotra: mikasika ny tena, fa tsy hita tarehy
Fanja1
217.
Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita
vale
218.
Tsy misy mahita kilema momba tena
Fanja1
219.
Mahita ny akanga tsara soratra ka hanary ny akoho taman-trano?
jentilisa
220.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga
lanto
221.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
222.
Avo fijery Andriamanitra, ka mahita ny takona
eugene
Voalohany
Mialoha
6
7
8
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173