Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hita
Hampiditra ohabolana
181.
Ny toky fitaka ny atao no hita
doum
182.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
183.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
184.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
185.
Ambany maso tsy hita tahaka ny solomaso anaovana tadiavina.
jentilisa
186.
Mahita loza Ikalamomba fa misambo-balala ho anjanak'olona.
jentilisa
187.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
188.
Be nangy mitsok'ovy, ny kibo voky tsy hitan'ny olona fa ny nangy mitombo no hitan'ny olona.
jentilisa
189.
voron-tsy rasaina tsy hita aty
jentilisa
190.
ny akoho tsy foy tsy hita soritra
jentilisa
191.
ny teny tsy mazava tsy hita fototra
jentilisa
192.
Banga manoaka, hita mbamin'ny havokavony
JMR
193.
Ao anatin'ny mangidy no hahitana ny mamy
lotus
194.
ny dobo tsy hita no mahamanina
JMR
195.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hiady vomanga
JMR
196.
Ny vava tsy ambina no ahitan-doza
hery
197.
Tsara raha mangetaheta ka mahita rano
hery
198.
Toko no tadiavina ka vato no hita
hery
199.
Hanina anao no naleha, ka tora-bato no hita
hery
200.
Hendry miady amin'ny adala, ka havizanana no hita
hery
201.
Varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso!
vale
202.
andao hitapatapak'ahitra sy hitorotoro ravina!
jentilisa
203.
Aza atao filan-draha tsy mahita na fiatontana raha resy ny havanao.
jentilisa
204.
Arahabao ihany izay hita fa tsy fantatra izay fara-rafozana
jentilisa
205.
Mpitery mahita ny tohany ary mpirohy mahita ny traingony
jentilisa
206.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
207.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
208.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka soron'afo no hita
hery
209.
Lahiantitra manin-kavana : hitsinjo, tsy mahita, handeha tsy afaka
hery
210.
Banga mihomehy, hita hatramin'ny havokavony
JMR
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0328