Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hita
Hampiditra ohabolana
91.
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
niryna
92.
Kamo mindrana angady ka aza mahita anie aho.
aivetinakely
93.
Tsy mino vary lany raha tsy mahita ny faran-kady mangeroka.
aivetinakely
94.
Manalokaloka toy ny razana tsy hitahy.
sylvoalias
95.
Hazo abo mora hitan-tsioky.
sylvoalias
96.
Fatra mpitady ny tsy hita ka manary ny hita maso.
niryna
97.
Ny lavanify mihinan-taolana no tafaray samy mafy, fa ny banga mifanaikitra no tsy ahitàna izay dia-nify
aivetinakely
98.
Tovolahy mahita fotsim-bary:arotsahy, arotsahy ihany.
aivetinakely
99.
Tsy mety ny manao toy ny ganagana, ka ny lahy hitarika indray no kely feo.
aivetinakely
100.
Aza manao tokatranom-boalavo ka samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
101.
Fanjaibe hazo ny fitiavana ka very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
102.
Ny vava tsy anambina ahitan-doza
niryna
103.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano
niryna
104.
Mahita ny akanga tsara soratra, koa manary ny akoho zarianagny.
ilanto
105.
Izay mihita be no tsy lanin'ny mamba
niryna
106.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana
niryna
107.
aza jamba amin'ny fitiavana fotsiny tahaka ny biby mahita sakafo
voniala
108.
Ny fitiavana dia toy ny avelo, inoan'ny rehetra fa mbola tsisdy nahita maso.
sejianis
109.
Tsy izay tena izy no hitantsika fa izay ao anatintsika no hilazaintsika ilay izy
niryna
110.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
111.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
112.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
113.
Avo fijery Andriamanitra, koa mahita ny miafina indrindra.
ilanto
114.
Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita
niryna
115.
Afaka hitarika ny soavaly hisotro rano hianao fa tsy afaka azy ny hanery hisotro rano
niryna
116.
Ny tsa vanahita ro miatehateha, fa ny efa nahita fola-drehareha.
ilanto
117.
Zagnahary agnabo koa mahita ny kilaraha iaby.
ilanto
118.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
119.
Maso mahita tsy mitondra mody
niryna
120.
Tokatranom-boalavo, samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555