Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maso
Hampiditra ohabolana
211.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
212.
Aza manao ranomaso teren'ny setroka
Vetso
213.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
214.
Maso sy orona ka alahelo no iraisana
hery
215.
Ny teny imaso tsy mba kilema
hery
216.
Ady vomangan'i Kirijavola ka tonga dia ny voamasony no potsirina (Ady voay ama-mamban'i Kirijavola ka avy dia ny voamasony no potsirina)
hery
217.
volana imaso tsy mba kilema
jentilisa
218.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
219.
Ratsaramiangola no lena fividy kitay ka Rabozimanga no didi-maso amin'ny setroka.
jentilisa
220.
Tsy mety ny manao ranomaso manetsi-keloka ka ny mamono indray no mamonjy fandriana ary ny mamo indray no miantso polisy.
jentilisa
221.
Aza miteny lango imason'ny vary
jentilisa
222.
Alao henatra, alao tondro maso fa havana
booboo
223.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka
McFy
224.
Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka.
lanto
225.
Didy maso tsara ondana, ka mandrimandry manana aretina.
hery
226.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
227.
Aza ny vato handrĂ tra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
Voalohany
Mialoha
6
7
8
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0627