Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maso
Hampiditra ohabolana
181.
Lavitry ny maso lavitry ny fo
doum
182.
Haleo henatra imaso toy izay fitia hafenina
doum
183.
Ataovy toy ny ady vomanga ny kirija vola tonga de ny voamasony no potsirina
doum
184.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
185.
Ambany maso tsy hita tahaka ny solomaso anaovana tadiavina.
jentilisa
186.
ny nambolen-tsy naniry, ny nasosoka maty maso
jentilisa
187.
Maka imason'ny tompony tahaka ny voromahery.
jentilisa
188.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy tahaka ny torimaso.
jentilisa
189.
Ny maso mijery tsy mitondra mody
JMR
190.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra.
jentilisa
191.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
192.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
193.
Ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana ka lolohavina eo an-tampon'ny loha
JMR
194.
Mason-tsokina, ny kely ananana no ahiratra
JMR
195.
ny hena masaka no mahavelona, ny hena-maso no mahafaty
jentilisa
196.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
197.
Aza mahajery voa-mason-jaza
JMR
198.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra
JMR
199.
Te hanana ny lohany nefa matahotra ny masony
JMR
200.
Ny torimaso no itovizana amin'ny mpanankarena
JMR
201.
adi-vomangan'Ikirijavola ka avy hatrany dia ny voa-masony no potsirina.
jentilisa
202.
Lainga sy fitaka tahaka ny ranomasom-boay
jentilisa
203.
Mena-maso an-daoka, ka manao fatra-maina
hery
204.
Aza miteny lango imason’ny vary
hery
205.
Matin-kenamaso, ka mihinam-barim-boka
hery
206.
Varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso!
vale
207.
maso voan-tsakay ka ny sisa no tsy atao intsony.
jentilisa
208.
didimaso asiam-panafody ka mahareta fa hanana ny soa
jentilisa
209.
Vivy manitrika ka bongo mason'ny nahiany
McFy
210.
Aza dongidongy miendrika androngo, la mandany ny tsaramasom-bahoaka
McFy
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0848