Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maso
Hampiditra ohabolana
181.
Ataovy toy ny ady vomanga ny kirija vola tonga de ny voamasony no potsirina
doum
182.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
183.
Ambany maso tsy hita tahaka ny solomaso anaovana tadiavina.
jentilisa
184.
ny nambolen-tsy naniry, ny nasosoka maty maso
jentilisa
185.
Maka imason'ny tompony tahaka ny voromahery.
jentilisa
186.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy tahaka ny torimaso.
jentilisa
187.
Ny maso mijery tsy mitondra mody
JMR
188.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra.
jentilisa
189.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
190.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
191.
Ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana ka lolohavina eo an-tampon'ny loha
JMR
192.
Mason-tsokina, ny kely ananana no ahiratra
JMR
193.
ny hena masaka no mahavelona, ny hena-maso no mahafaty
jentilisa
194.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
195.
Aza mahajery voa-mason-jaza
JMR
196.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra
JMR
197.
Te hanana ny lohany nefa matahotra ny masony
JMR
198.
Ny torimaso no itovizana amin'ny mpanankarena
JMR
199.
adi-vomangan'Ikirijavola ka avy hatrany dia ny voa-masony no potsirina.
jentilisa
200.
Lainga sy fitaka tahaka ny ranomasom-boay
jentilisa
201.
Mena-maso an-daoka, ka manao fatra-maina
hery
202.
Aza miteny lango imason’ny vary
hery
203.
Matin-kenamaso, ka mihinam-barim-boka
hery
204.
Varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso!
vale
205.
maso voan-tsakay ka ny sisa no tsy atao intsony.
jentilisa
206.
didimaso asiam-panafody ka mahareta fa hanana ny soa
jentilisa
207.
Vivy manitrika ka bongo mason'ny nahiany
McFy
208.
Aza dongidongy miendrika androngo, la mandany ny tsaramasom-bahoaka
McFy
209.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
210.
Aza manao ranomaso teren'ny setroka
Vetso
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176