Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Hariva
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Hariva
Hampiditra ohabolana
1.
Vitsika momba kitay ka harivariva an-tanin'olona
OZ16
2.
Ankatso sy Ambohidepona hono no mifankahita fa tsy mba miresaka, mifampitazana tsy mba mitafa, ny maraina mifampilongilongy ny hariva mifanakona aloka.
aivetinakely
3.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
4.
Tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody
yveratsimb
5.
Tampontampoin'ny manambady Raketaka ka misambo-balala hariva.
soanja
6.
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
7.
Andevolahy mikalo hariva; tsy alahelo fa kibo tsy feno.
soanja
8.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
9.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
10.
Manenjin-dambo hariva ka maniraka azy hody.
soanja
11.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
12.
manambady lehilahy be vonto manahy ny andro ho hariva
pitiny
13.
Vitsika omban-kitay ka harivariva antanin'olona
aivetinakely
14.
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
latina
15.
Tampotampohin'ny manam-bady Raketaka ka misambo-balala hariva
latina
16.
Akondro jinja hariva: raha tsy malazon'ny andro aza, mantsasaky ny alina
latina
17.
Mpivaly mialy: rombo hariva, mpilongo maraindray
roscarb
18.
adin'ankizy, maraina miady, hariva miombona
doum
19.
Vitsika momba kitay ka harivariva an-tanin'olona.
jentilisa
20.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
21.
Hariva an-tanin'olona toa vitsika momba kitay
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0846