Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ahita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ahita
Hampiditra ohabolana
31.
Takà pa nahita afokasoka ka mampirehitra jiro antoandro.
aivetinakely
32.
Manary vady tanora, tsy kakerin'ny nenina fotsiny fa mandraiki-marary isaky ny mahita azy.
aivetinakely
33.
Boky nahitàna soa, tsy voapirina fa iondanana.
aivetinakely
34.
Tia manandrana ka nahita ny loza tsy takatry ny saina.
aivetinakely
35.
Nahita ny mamiratra ka nanadino ny andefomandry, nosavihin-doza ka vonjeo aho malala.
aivetinakely
36.
Aza varimbariana ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso mamiratra.
aivetinakely
37.
Aza atao toy ny tahom-boanjo nahitàna fa ataovy tahaka ny reny ka tototry ny valim-babena.
aivetinakely
38.
Tamàn-trano tahaka ny akoho ka tsy mahita remby hameloman'anaka
aivetinakely
39.
Izay tsy manampaharetana tsy mahita vokatsoa.
niryna
40.
Toy ny tovolahy mahita fotsiymbary, ka Arotsahy, arotsahy ihany
kanto1
41.
Kamo mindrana angady ka aza mahita anie aho.
aivetinakely
42.
Tsy mino vary lany raha tsy mahita ny faran-kady mangeroka.
aivetinakely
43.
Ny lavanify mihinan-taolana no tafaray samy mafy, fa ny banga mifanaikitra no tsy ahitàna izay dia-nify
aivetinakely
44.
Tovolahy mahita fotsim-bary:arotsahy, arotsahy ihany.
aivetinakely
45.
Ny vava tsy anambina ahitan-doza
niryna
46.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano
niryna
47.
Mahita ny akanga tsara soratra, koa manary ny akoho zarianagny.
ilanto
48.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana
niryna
49.
aza jamba amin'ny fitiavana fotsiny tahaka ny biby mahita sakafo
voniala
50.
Ny fitiavana dia toy ny avelo, inoan'ny rehetra fa mbola tsisdy nahita maso.
sejianis
51.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
52.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
53.
Avo fijery Andriamanitra, koa mahita ny miafina indrindra.
ilanto
54.
Ny tsa vanahita ro miatehateha, fa ny efa nahita fola-drehareha.
ilanto
55.
Zagnahary agnabo koa mahita ny kilaraha iaby.
ilanto
56.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
57.
Maso mahita tsy mitondra mody
niryna
58.
Nahita ny akanga tsara soratra ka nanary ny akoho tamàn-trano
aivetinakely
59.
Aza miafina nefa misy mahita, toy ny mpamosavy mandeha alina
anahely
60.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1802