Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe baby
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
baby
Hampiditra ohabolana
1.
Na dia tiako aza ny trandraka fa zaho tsy hibaby zana-kiva
fidah241
2.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
3.
Hovalahy mibaby andriana, ka misolo ny entan'ny Manendy.
soanja
4.
Katsaka an-tanimena ka ny baby kambana tsy misy, fa zara raha mahavelon-tena.
soanja
5.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
6.
Katsaka maniry an-tanety na baby tokana aza tsy misy.
aivetinakely
7.
Tapotapoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
Manatsiala
8.
Rafozan-tsarotiny ka mibaby heloka amin'ny androm-pahanterana.
aivetinakely
9.
Tampotampoim-pahasoavana ka hibaby kisoa mita rano
ratoul
10.
Ny eritreri-dratsy mibaby manaraka izay aleha.
niryna
11.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
12.
Tampotampoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
hery
13.
Tarondro mibaby antely : ratsy fa mitondra raha tsara
Lebiry415
14.
Tapotapohan-karena ka mibaby kisoa miampita rano
dadou
15.
vorondolo mibaby tantely ratsy tarehy fa mitondra ny mamy
ratom
16.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
17.
Aza tefitra loatra ka mibaby laona
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0435