Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe dera
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
dera
Hampiditra ohabolana
1.
Ahandro mahia mila menaka, raha matsatso mila sira, raha tsara tsy mila dera.
Makoah
2.
Aza te ho deraina toy ny saka; ny tay totofana nefa ny vody tsy mifitra
leonniemada88
3.
Saro-tiavina toy ny maimbo helika, kobokobonina masiso, aderadera mahatorana
vonjygildas
4.
Tia ho deraina toa olotra, ka any anaty tay no manao akiletika
lehsabotsy
5.
Te hoderaina ohatra ny saka ka rora no anasana tava
hanta2
6.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy
OZ16
7.
Izay mahakolokolo no manana ny tsara(ce qui soigne possèdera le bien)
goussy
8.
raha ny hendry midera tena, manambara ny adaly kosa
NADEGE
9.
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy, fany vehivavy matahotra an' i Jehovah ihany no hoderaina.
2N.E
10.
te ho deraina otran'ny olitra kely ka ,any anaty tay avy no manao akisitrika
kouily
11.
Aza mifampidera vady mahay mandihy, fa aoka ny sandry no hitsara azy.
hajaxy
12.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
13.
Goaika maneno am-panidinana, ka mampidera feo eny an-danitra.
soanja
14.
Voninahitri ny rahona deraina ihany fa tsy mitoetra
kiriah
15.
Androngo milanja lolo, ka tsy ny hohanina fa ny hoderain'ny hafa.
soanja
16.
"Samy zanaka mpanefy ka tsy hifampidera taim-by"
mpoon
17.
Mijanona ho fanoharana tahaka ny sedera avo.
aivetinakely
18.
Ny tsara vintana no midera anjara, fa ny ratsy kosa mifia-dranomaso.
aivetinakely
19.
Mpirahavavy mifanehatra, ka ny fiderà na bika no alohan'ny maha-mpiray tampo.
aivetinakely
20.
te ho deraina toy ny alika mikiky taola-maina
elyzo
21.
aza te ho deraina toy ny alika miambozon-koditra
elyzo
22.
Aza midera vady mahay mandihy fa aoka ny sandriny no hilaza azy
niryna
23.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny no hilaza azy
rtol
24.
Fitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy.Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no ho deraina
niryna
25.
Samy zanaky ny mpanefy ka tsy miafmpidera taim-by
rtol
26.
Mila dera amin'ny amboa ka taolana maina no iambozonana
felana
27.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
28.
Vitsika nitondra valala: ny kibo hasiana tsy misy fa madilana ; ny deraderany no tsy toha.
soanja
29.
Azaz midera harena, fa nitera-dahy
zouzou
30.
Aza te ho derain'ny alika ka mikiky taolana tsy misy hena.
mandrindra
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1005