Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fahavaratra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fahavaratra
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fanambadiana toy ny lalan-tany, fahavaratra tsy ialan'ny fotaka, main-tany misy vovoka.
Angonoka
2.
Tahaka ny dalle-n'Andavamamba, ririnina fitoeram-boalavo, fahavaratra fitoeram-pozaorana
valihniaina
3.
Andevo lahy mangery anjezika,fahavaratra aza miloloha ny tainy
Damihar'sS
4.
Miankanjo vahoaka raha lohataona fa mihanja-pasika fahavaratra ohatra ny moron-dranomasin' Amborovy
hery
5.
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona
yveratsimb
6.
Kely fitia ka mitatatra fahavaratra.
aivetinakely
7.
Teraka omby fahavaratra ka sady lalao no harena.
aivetinakely
8.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
9.
Fahavaratra mangidy fa ny an-tsaha tsy tonga, ny an-tanàn-dany.
aivetinakely
10.
Terak'omby fahavaratra, sady lalao no harena.
aivetinakely
11.
Zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsin-dalana fahavaratra.
aivetinakely
12.
Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
latina
13.
Zatra ny lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
doum
14.
Akoho lahy fahavaratra ka rebarebany ihany
doum
15.
manjai-tsarotro lohataona hialofana raha fahavaratra.
jentilisa
16.
Lasan-ko bikany toa akoholahy fahavaratra
jentilisa
17.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
18.
Mindrana angady fahavaratra, maniraka ny tompony hiasa
JMR
19.
Zatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0159