Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fohy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fohy
Hampiditra ohabolana
1.
Fohy fa henjana tahaka ny rambon'omby tapaka
hery
2.
Afa-nenina hatrany an' ala lava, ka hatrany an' ala fohy.
BEDOGAIGY
3.
Fohy mamonjy lanonana ka rehefa rava vao hita.
aivetinakely
4.
Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manam-bady fohy, mitahiry tapak’aponga ; manam-bady ny loza be, mitahiry varatra an-trano
yveratsimb
5.
Aza mitoto vary an-trano fohy loha
yveratsimb
6.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
7.
Ikala fohy mizaha lanonana, ka efa mody vao hitan'ny olona.
niryna
8.
Ny teny toy ny zipo, ny mahafohy azy no mahatsara azy
Racute
9.
Tsikovoka antanety, mitanina andro vao manafohy fiainana;
aivetinakely
10.
Lamba fohy tsy an'olon-jejo, lamba lava tsy an'olo-kamo
niryna
11.
Ny teny toy ny atody ka raha fohy manan'elatra
niryna
12.
antitra miakam_piakarana matavy misonenika, mahia misohika, fohy mandady, lava manjoko, ka na mitehi-kiho ary tsy zesta fa toha naina
orlando405
13.
Aza manao fitan-droa toy ny mpampirafy, mamy ny atsy, tsy fohy ny aroa
niryna
14.
manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
latina
15.
Ny hevitra dia toy ny ketsa: raha lava loatra, maningotr aina; ary raha fohy loatra, afatotry ny sasany
latina
16.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
17.
Ny teny toy ny ketsa : lava mamato-tena, fohy afatotry ny olona.
mbelo
18.
Raha maratra ny tanana, mitsotsoka ny vava. Raha marary ny molotra, misafosafo ny tanana. Aza mitoto vary fohy loha. Aza manolo-bato mafana ny zaza. Mahery tsy maody hono tsy ho ela velona. Ataovy fisotro ranon'akoho, izay azo kely no andrandraina.
nanapiso
19.
Ny teny toy ny atody raha fohy manan'elatra
mandrindra
20.
manambady ny lava mitahiry tohatra an-trano, manambady ny fohy mitahiry tapak'aponga
Lalakely
21.
Ny manambady ny fohy mitahiry tapak'amponga
JMR
22.
Fitia tsy mivaly mahafohifohy saina
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2184