Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hina
Hampiditra ohabolana
1.
vava-kisoa misy sira ka asakasak`izay hihinana azy
RIJA08
2.
Akoho mitarika ganakely , ho tarihina toa pela-bava, ho ariana efa nanahirana
RIJA08
3.
Vakinankaratra mihinana ovy ka samy mihinana ny voa-poriny
RIJA08
4.
Bokobokon'ny Besakoa ze fa nihina tsy homa koa!
FatikyRaketa
5.
Maimaim-boantsilo ka mihinan-tsy mamafa
rainizao
6.
Aleo misoroka toa izay sorohina
rvsn5
7.
Bemolotra mihina-koba ka,tafiaraka samy matevina
zandrymeva37
8.
Kamo be baiko, manafitohina ny efa manao
ram20
9.
Banga mihinam-boanjobory, any am-body vao milalao kanety
mick87al
10.
Tsy misy ny kamo ambinina,fa ny hatsembohan'ny tavanao ihany no ihinanan'ny vavanao.
Ny_Arlinah
11.
Raha ny rainy ve ny mitsako sy mihinana ny marikivy, dia avy eo ny zanany lasa madilo nify
tahiana.dafy2015
12.
Kapila hinanana tsy hangerezana
damy002
13.
Aleo misoroka,toy izay sorohina.
Topher
14.
Tsy ampy tsy lany toy ny sola vaohina
OZ16
15.
Ny tanin'andriana aza onenana ka ny satany ve no tsy harahina
OZ16
16.
Manasa vahiny tsy avy hihinagna, sady vôky no afaka adidy
OZ16
17.
Aza mba toy ny akoho fahanana: izay anipazana hanina endrehina daholo
ginyellow8
18.
"Andrakandrana no nampihinan~tay ny kisoa"
Shcwarzeneric
19.
Hoy ny Ntaolo hoe "Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina"
Razakasoa-joda
20.
"Banga mihinan-kitoza, tsiro no notadiavina kanjo ny hivy no raraka".
ragotso
21.
Boka homan-kitoza, faly am-pihinanana fa ny manala kaka nom raharaha
raksolom
22.
Boka mihinan-kitoza: ny fihinanana dia lavorary, fa ny manala kaka no ady mafana.
9999
23.
Mihinana am-bolony toy ny Malagasy voatamby, handeha hifidy.
Rakotoaly
24.
Ahitra no nanafintohina, ka ny tokonana no haetry!
BEDOGAIGY
25.
Adin' ombalahin' ny mpianakavy : ny mahery tsy hobina ny resy tsy horakorahina.
BEDOGAIGY
26.
"Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy"
201007jacky
27.
Banga mihinam-boanjo-bory , am-body manao kanety
ravelobe
28.
Mifampitsipaka toy ny valala an-karona,ny tafakatra indray no itsahina
sylvoalias
29.
Lany ve ny hazo , no ambiaty no atao tehina.
aivetinakely
30.
sarotr'enjehina toy ny saka mainty ao anaty haizina, indrindra raha tsy misy ao
yveratsimb
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0306