Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ilay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ilay
Hampiditra ohabolana
31.
Poritsy ankavoria zao hoe..., ligniry tsy mahatoboky, ro sady very hevitsy...: -hilay... matahotsy tsy ho tera-tay. -hitoboky...gny raha fa antomotsy. -handeha moramora... moa gny tany fiboaha lavitsy...
sylvoalias
32.
Rehefa antitra dia manoro fahendrena, rehefa tanora dia mandray ilay fahendrena.
niryna
33.
Tsy izay tena izy no hitantsika fa izay ao anatintsika no hilazaintsika ilay izy
niryna
34.
Saka fozan'ilay monga, vao maika manosika azy any an-davaka.
aivetinakely
35.
Ataovy arak'ombin'ilay mora, afara voatoditodika, aloha voasafosafo.
aivetinakely
36.
Toy ilay rafotsibe namosavy zafikely : voky hena indray alina fa ringi-bolo herin-taona.
Moundzee
37.
Mandainga ny rano, hoy ilay boka mizaha ny tandindony
latina
38.
Ilay boka sy ny odiny: Ny tarehiko anie efa simba, fa ny hataonao no sisa
latina
39.
Ilay banga manao solo-nify: afa-kenatra eo am-pihomehezana, fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
latina
40.
ala-faditr'ilay moana, ka ao am-po no manisaisa
latina
41.
Kalon'ilay moana: am-po no mametsovetso
latina
42.
Lomanon'ilay jamba, ka izay hidonan'ny loha no hiakarany
latina
43.
Toa an'ilay jamba nomena amalona: koa amalona, hono, ity, andriamanitra!
latina
44.
Feony ihany, hoy ilay jamba mitsapa tafondro
latina
45.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'ilay mora: ny aloha voasafosafo, ary ny aoriana voatehatehaka.
latina
46.
toa ilay voalavo nilomano ranomasina efa be ny vita ary mbola be koa ny hatao
romeobera
47.
Miteny tsy afa-tsiny toy ilay tovolahy manambady rafotsy be, itositosiana toa renibe, hilaozana nefa anjaran'ny tena, loa-bary sisa iononana, mihinana fa izay voky maharaka ny namany
ramix
48.
Mandehana any @vitsika ry ilay malaina jereo ny fanaony ka mba hendre
doum
49.
Baingon'ilay takatra ka indray paoka de vita
doum
50.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
51.
Aza manao soro-baton'ilay jamba efa voa vao mihilana
JMR
52.
Soro-baton'ilay jamba, voa vao mihilana
jentilisa
53.
Soro-baton'ilay jamba, ka voa vao mihilana.
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208