Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe jaza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
jaza
Hampiditra ohabolana
1.
Tsobokonim-bobaka tsy veraverain-jaza mataho biby
Tsipakay
2.
Aza ny ahakelin'ny maojany no jerena, fa ny haben'ny lohan-jaza havoakany
lehsabotsy
3.
saro-tadiavina hoatran'ny aretin-jaza ny marina
manyng2017
4.
Adaladala fiandry trano ka homam-barin-jaza.
BEDOGAIGY
5.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
yveratsimb
6.
Amalon'iMoriandro, tsy hain-jaza , tsy haim-behivavy.
aivetinakely
7.
Aza manao tahaka ny vorontsiloza : mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany ; manakora tsy adin'ombilahy, dia izy ihany ; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany ; midoboka tsyampongabe, dia izy ihany.
yveratsimb
8.
Fon-jazalahy, atakalo, fon-jazavavy
rijadolly
9.
Tonga tsy tonga karaha aomby nakarin-jaza. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
10.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
11.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
12.
Lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy
niryna
13.
Adin-jazakely, ka ny ranomaso maina ihany no fetrany.
aivetinakely
14.
Safidin-jazakely, ny marevaka ihany no mahasarika.
aivetinakely
15.
Fifanekena natao tamin-jaza, ianao ihany no hanampy azy hitadidy.
aivetinakely
16.
mitsaga-mihemotra toy ny lelon-jaza
Raherizo
17.
Aza magnano ahitra teraka alohan-jaza
niryna
18.
Toy ny fanahin jaza manjazana
kanto1
19.
Vorona tsy antanana tsy atolo-jaza
sylvoalias
20.
Aza manao ahitra teraka alohan-jaza.
niryna
21.
Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
22.
Malaza avy any namehana ka tsy nivimbina voasary ho an-jaza
rtol
23.
Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza.
aivetinakely
24.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
25.
Raha fanambadian-tsy ho vanona, aleo mody hamelon-jaza
latina
26.
aza manao sain-jaza maroroka
latina
27.
amalon'Imoriandro aho, ka tsy hain-jaza tsy haim-behivavy
latina
28.
Adaladala fiandry trano, ka homam-barin-jaza
latina
29.
tsy azo hibaben-jaza toa fery an-damosina
latina
30.
Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0158