Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe katsaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
katsaka
Hampiditra ohabolana
1.
Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra
tantanana
2.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
3.
Manao ho katsaka ka ladinim-bahy.
soanja
4.
Katsaka an-tanimena ka ny baby kambana tsy misy, fa zara raha mahavelon-tena.
soanja
5.
Tsy katsaka ka hiteraka tehezana.
soanja
6.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
7.
Katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahatanty mipitika aloha.
aivetinakely
8.
Katsaka maniry an-tanety na baby tokana aza tsy misy.
aivetinakely
9.
Aza manao famakiloha anaty katsaka: ka izay mitranga Rangahy avokoa.
kanto1
10.
Aza manao tahon katsaka am body fahitra, ka izay miposaka mena somotra daholo.
kanto1
11.
Bangaridana homan-Katsaka voatono hoe ka :ny hanina katsaka, ny avoaka dia mbola katsaka ihany
sylvoalias
12.
Misy andro tokony hanginana, ary misy fotoana tokony hitenenana, toy ny katsaka ela nihantonana sy tsaramaso ela nihahazana, ka miandry ny fotoana hitsiriany.
aivetinakely
13.
Mitsakatsaka foana ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompy sikidy
niryna
14.
Goaika mangala-katsaka ka izay mivoaka dadany avokoa.
aivetinakely
15.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
16.
Ataonao ho katsaka ve aho ka hiteraka an-tehezana?
latina
17.
Njola mangala-katsaka: mody tsy mijery, kanjo mitily ny main-dambana.
latina
18.
Faly sahirana tahaka ny masikiny nahazo katsaka, ny kibo voky eo ihany fa ny lakatim_bava no vizana
bobone
19.
Faly sahirana tahaka ny masikiny nihinan_katsaka, ny kibo voky eo ihany fa ny lakatim_bava no vizana
bobone
20.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
21.
Ankifonofono toy ny varo-katsaka amam-bolony.
jentilisa
22.
Maty vao manakora toy ny endi-katsaka
jentilisa
23.
papangolahy anaty katsaka izay mivoaka babany avokoa
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0451