Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lavo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lavo
Hampiditra ohabolana
1.
Indroa nahita ny maizina otran`ny tain`omby natsentsina an-davaboalavo
RIJA08
2.
Voalavo anaty siny, boribory ny lanitra
hery
3.
Tahaka ny dalle-n'Andavamamba, ririnina fitoeram-boalavo, fahavaratra fitoeram-pozaorana
valihniaina
4.
voalavo misangy andavenona ka ditsoky ny nataony ihany
fanantenanahadji
5.
Aza malahelo voalavo maty fa mbola be ny any an-tsaha
OZ16
6.
« Soa lavo hahay hamindra,soa kenda hahay hitsako »
ulquiorrafetraniaina
7.
Ny mihomehy lavo aza misy todiny maika fa ny mitsambiki-mikipy
jock
8.
"Aza manenjika ahy ry fahavaloko,fa na lavo aza ahy mbola iarina ihany."
aer0jhony
9.
Tsy ny anjara no mamolavola ny olona fa ny olona no mamolavola ny anjarany
tovorandria
10.
Apemba nihanem-balavo, tsy motso fa nihanen-draha miay.
Momake
11.
Boka mihinan-kitoza: ny fihinanana dia lavorary, fa ny manala kaka no ady mafana.
9999
12.
Boka mihinan-kitoza : ny fihinanana no lavorary, fa ny manala kaka no ady mafy.
yveratsimb
13.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba ?
yveratsimb
14.
Ny halavoana tsy mahalehibe
yveratsimb
15.
Halavoan-dehilahy: manongalika
yveratsimb
16.
Rafotsibe lavo an-tanimena ka tsy te hierika ran-kena
LemenaTsiAfo
17.
na haiko aza ny fanafodim-balavo, de zaho tsy hamehe hena an-tsiky
DEDAKE
18.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao higagana Voalavo sasatry ny miaina, saka matory no ala-bolombava
Gagagagagasy
19.
tsy misy mateza milevina hoatra ny voalavo, fa raha mitranga izy dia hanin'ny saka.
itaramasoandro
20.
fanambadiam-boalavo, ka Samy mikepoka izay azony
mpikabary
21.
Aza manao toy ny voalavo sasatry ny miaina ka saka matory avy no alam-bolombava.
niryna
22.
Voalavo no velona akaiky ny lavany
niryna
23.
Mafagnety malalaka karaha nifim-balavo. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
24.
Valavo velona, anjon-davagny.
soanja
25.
Valavo nirangotim-piso: tsy maty fa lava volo. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
26.
Ny hazo mirona tsy mba lavon-drivotra.
soanja
27.
Mpaka haravola akaikin'ny tevana ka na dia lavo aza, mahazo fanampiny.
soanja
28.
Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina dia mitsipon-tsindretra.
soanja
29.
Ny lalana afaky ny voalavo afaky ny totozy, fa ny lalana afaky ny totozy tsy afaky ny voalavo.
soanja
30.
Voalavo latsaka an-ketona, ka halavoana leo ihany fa ny akoralava no tsy laitra.
soanja
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0636