Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant miasa
Liste des proverbes, contenant
miasa
Insérer un proverbe
1.
Toy ny mpivady miara-miasa, menatra ny hifampi-baiko.
MpitadyHasambarana
2.
Ombilahy miasa, ka izay manao ihany no voakaravasy
Miarokimialy
3.
Raha mamboly ka tsy mahavanona, ampio fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa avelao hivarina an-kady.
taratriniaina
4.
LAVA-TANA TSY MIASA OHATRY NY FOZA
kiriah
5.
Ratsy anarana tahaka ny "hala" saingy famantarana andro tsara rehefa miasa.
aivetinakely
6.
Miasa mafy tsy hitan-drafozana, ka alao ny vadiko hitantara aminy.
aivetinakely
7.
Aza miasa roa toy Tankady.
niryna
8.
Ireo izay mifidy ny asa tiany dia toa tsy miasa intsony amin'ny androny
niryna
9.
Miasa amin'Atra, ny karama tsy dia betsaka fa ny fisotrona ronona rahatrizay dia ny miala amin'ity tany ity.
niryna
10.
Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
niryna
11.
Ny fanirian'ny malaina ahafaty azy satria ny tanany tsy miasa tsinona
niryna
12.
Miaka-bokatra tsy mahay mitsitsy, varatr'andro vao miasa tsy homan-kanina.
ilanto
13.
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina;Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alaheko kosa.
niryna
14.
Fidio izay asa tianao ka toy ny tsy miasa ianao amin'ny androm-piainanao rehetra.
niryna
15.
Miasa jamba rafozana;herim-po very foana.
niryna
16.
Miasa jamba rafozana, herim-po very foana
jentilisa
17.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8302