Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe miso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
miso
Hampiditra ohabolana
1.
Bongo maso misoron`afo ka tsy fantatra na lanin`ny setroka na malahelo
RIJA08
2.
Tangilahy tsianisiha, hatoko tsy misy tangilahy mifininitsy, ho hany fa lany tangilahy misodadaky!
FatikyRaketa
3.
Aleo misoroka toa izay sorohina
rvsn5
4.
Aleo misoroka,toy izay sorohina.
Topher
5.
Ataovy fitia vita voady ka sahy misotro ny aleoko maty
jock
6.
Herim-po very maina toy ny akoholahy antitra nanenji-bavy vao tanora...(vantotr'akoho vavy) ka ny raha tsy azo moa ny tena misoháka sempotra....!!!
sylvoalias
7.
Tsa ny toaka ro mahere fa agnay betsileo ro tsa mahay misotro...
sylvoalias
8.
Misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
yveratsimb
9.
Aza misoroka adidy ka tsy manan-tiana.
yveratsimb
10.
Misorom-bady an-trano ka ny tena ihany no voa
yveratsimb
11.
Raha hitsangan-tsy mahay, aleo misonenika an-toerana
yveratsimb
12.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
13.
Hovalahy mamosavy andevolahy, ka misolo ny entan-kitainy.
soanja
14.
Hovalahy mibaby andriana, ka misolo ny entan'ny Manendy.
soanja
15.
Misovoka ohatry ny lohan-gisa.
soanja
16.
Raha olona iray no tsy tia dia mitotoa koba hatavy, fa raha ny be sy ny maro no mankahala dia misotroa tsingala ho faty.
soanja
17.
Misoron'ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina.
soanja
18.
Misolantsolana ohatra ny vinanto tsy mahare fosa.
Minouchka
19.
Rafozan-tsarotiny ka ny zanaka no misolo vady isam-bolana.
aivetinakely
20.
Aza atao toy ny afo mololo, miredareda fa mora maty, fa ataovy toy ny afon'ampombo, misoko mangina fa maharitra ela
aivetinakely
21.
Misosososo tahaka ny vinanto tsy mahare fosa.
aivetinakely
22.
Trondro gasy anaty fitaratra, ny anarana ihany no misoratra any Gasikara.
aivetinakely
23.
Manaram po fahazaza ka misoron afo fotsy volo
kanto1
24.
Mateti-pihavy toa akoho misotro rano
niryna
25.
antitra miakam_piakarana matavy misonenika, mahia misohika, fohy mandady, lava manjoko, ka na mitehi-kiho ary tsy zesta fa toha naina
orlando405
26.
Aza atao misomidika ambony toa menaka ny fihavanana fa ataovy latsaka anaty toa tsoka.
aivetinakely
27.
Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly.
aivetinakely
28.
Vorombe minia misotro vitsika, vilany be sisa sasàna.
aivetinakely
29.
Misotro rano antanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
aivetinakely
30.
fandrotranana an-tanana haolo ka misolo ny anaran-dray tsy satry
ikoto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0246