Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ombalahy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ombalahy
Hampiditra ohabolana
1.
Ny henamaso ombalahy
yveratsimb
2.
Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
yveratsimb
3.
Ny ana-draiamandreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina, raha mahavoa mahafaty
ravomahandry
4.
Voronombalahy ka ambony miray lanitra, ambany miray lavaka.
soanja
5.
Very amin'ny adin'angely ny adin'ombalahy.
soanja
6.
Ombalahy resy an'ady ka mifiaka ny atsoro maina.
soanja
7.
Ombalahy nihehy votry, ka kimavon'ny nataony.
soanja
8.
Tahaka ny mividy ombalahy mpiady ka ny tandrony aloha vao ny vozony.
ontsy
9.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
10.
Ny valiha no tsy mifehy loha tsy marary;ny tongobolo no tapenam-bava tsy miteny;ny ombalahy tanimanga no tsy afa-mitrena soloam-bava.
aivetinakely
11.
Aza mandray ombalahy latsaka an-tatatra fa raha afaka izy manoto.
niryna
12.
Ny ana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy, raha mahavoa mahafaty raha tsy mahavoa mahafanina
niryna
13.
Ny antry ny ray toy ny tsipak'ombalahy;mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina.
niryna
14.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay.
latina
15.
tsipak'ombalahy ny ana-dray sy Reny mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina
Malalason
16.
Ombalahy tanimanga, ny tompony ihany no mitrena
jentilisa
17.
Tandrok'ombalahy : sady haingo no fiarovana
JMR
18.
Ny anadray aman-dreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina fa raha mahavoa mahafaty
mandrindra
19.
Ny tenin-draiamandreny toy ny tsipak' ombalahy : raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina
hery
20.
Hazakaza-dava toy ny ombalahy
McFy
21.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
Fanja1
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0843