Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe pika
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
pika
Hampiditra ohabolana
1.
Aleo kijeja mifampikasoka amin'ahitra toy izay adrisa manampatra elatra mandao.
aivetinakely
2.
Voanemba mitsipika anjoron-trano ny zanaka manam-bady havana ,tsy very fa miharo amin'ny namany.
aivetinakely
3.
Voanemba mitsipika an-joro ,tsy very fa maka toerana .
niryna
4.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
5.
Mpikarajia tsy mahay azerty vola lany raha tadiavina tsy hita.
ZEMJOS
6.
Fady fotsy toa oman-dronono, tsy mainty milalao saribao, fomba fiteny raha hialatsiny ny mpikabary dia azo raisina ao anaty voabolana io, ary mampiango azy mihintsy ary rehefa tonga ny ainga eo amin'ny lafiny kabary
RTsongy
7.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
8.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
9.
voanemba mitsipika anjoro, tsy very fa maka toerana
tsonaneh
10.
Voanemba mitsipika anjoron-trano, tsy very fa mihaona amin'ny namany
aivetinakely
11.
Mpikabary maloto nify, ny fiasana indray no tsy diovina
zouzou
12.
mpikarama milanja rofia: manenjan-tsandry amin'ny an'olona
ftma
13.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
14.
Tsaramaso mitsipika anjoro tsy aiza fa miverina @toerany
doum
15.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1749