Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tarehy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tarehy
Hampiditra ohabolana
1.
Ratsy tarehy manam-bintana ka ny soa no manatona ho vady.
ndrina56Oha
2.
ratsy tarehy be vody ,voninahitra ho an'ny fandriana fa henatra hoan'ny fiaraha-monina
kafaariaryefatra
3.
Ratsy tarehy be vody tsy matahotra ny ho very zara
poussyratre
4.
ratsy tarehy miady lehilahy tsy matahotra ny ho very anjara
poussyratre
5.
Anjely Tarehy Fa Devoly Fanahy
Avoss
6.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolangolana
OZ16
7.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao mahagaga
gagagagagasy
8.
Aleo manambady fanahy toy izay manambady tarehy.
aivetinakely
9.
Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamorainy
yveratsimb
10.
Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy
yveratsimb
11.
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy, fany vehivavy matahotra an' i Jehovah ihany no hoderaina.
2N.E
12.
Toy ny kavim-bolamena eo @ oron-kisoa,Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena
2N.E
13.
Ratsy tarehy ambinin-doza ka mikarakara vao tsara.
niryna
14.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao higagana Voalavo sasatry ny miaina, saka matory no ala-bolombava
Gagagagagasy
15.
Mampaka-bady maika loatra, ny tarehy no voajery, ny fanahy natao sorona
aivetinakely
16.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka volo vao tsara.
soanja
17.
Ratsy tarehy handeha hilanona, ka maraina ihany no izy.
soanja
18.
Enti-maty toy ny tarehy.
soanja
19.
Ny tarehy soa verin'ny hanina an-dany vazana.
soanja
20.
Ny firavaka azo atentina, fa ny tarehy tsy azo atentina.
soanja
21.
Tsy mahaleo ny tarehy ratsiko aza, dia tsy maintsy malahelo ny entan-kitaiko.
soanja
22.
ny tiana mitombo tarehy
kiriah
23.
Ratsy tarehy maka vady ka ny anaran-dray no enti-mangataka
kiriah
24.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka vao tsara
niryna
25.
Ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny ho very
Ratianakel
26.
Ny tsara tarehy mora fandrihana, ny ratsy kosa miavon-tsy feno.
aivetinakely
27.
Aleo vady manam-panahy toy izay vehivavy tsara tarehy.
aivetinakely
28.
Tsy very mandeha tahaka ny vehivavy tsara tarehy
aivetinakely
29.
Raha manambady tsara tarehy dia tsy mahavondraka kisoa, satria variana mijery azy ny kisoa fa tsy mihinan-kanina
aivetinakely
30.
Ratsy tarehy andeha lanona ka ny maraina ihany no izy.
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0245