Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe telo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
telo
Hampiditra ohabolana
1.
in-telo misara-bady,impito rava harena.
heriy
2.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
3.
Alahelon-dehilahy tsy maharitra hateloana
yveratsimb
4.
Fa ny telo no tsara noho ny roa ,raha miady misy manasaraka.
raba
5.
Tsy mahafoy kirobo hamidy gadra, ka very telo-polo.
soanja
6.
Tapia ka iray no hanina fa telo no aloa.
soanja
7.
Andry telo itoviana amin'olona.
soanja
8.
Nonon'ondry efa-doza, telo antambo, roa tsy miova fa fanao.
soanja
9.
Tsiambaratelon'adala, izy ihany no fanalahidiny.
aivetinakely
10.
Faly sahirana tahaka ilay bevohoka nanao kamaban-telo, ny kibo nitoerana antonina ihany fa ny nono omena no tsy ampy
Bocassa
11.
Rafotsibe mitahiry fanànana, eran'ambatry ka atao telo fonosana.
aivetinakely
12.
Ny lahy mamindra intelo ka mahazo hevitra, ny vavy miondrika inefatra vao mahazo ny azy.
latina
13.
fotsim-bary natao an-karom-boatokana: very sasaka, very fahatelo.
latina
14.
telo no sola: ny anankiray tava mitatra, ny anankiray sola nahafahana, ny anankiray tena sola
latina
15.
Ny fihavanana aza atonao toy ny jiafotsy: intelo asampina ka mievotra ihany.
latina
16.
tsara hateloana ohatra ny volom-bava haratana
latina
17.
Tsikotsikon'olo roe tsy ambara-telo
roscarb
18.
Ingahibe mampirafy, tonga telo vao latsa-bidy
McFy
19.
Andevolahy mampirafy, ka intelo mihosin'akondro
McFy
20.
Zavarin'ny fitia manantombo ka intelo miarahaba ihany
jentilisa
21.
Imandridrano no matavy omby ka Analamanga no telo saoka
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0552