Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tendro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tendro
Hampiditra ohabolana
1.
Aza atao fitia an-tendro-molotra fa ataovy fitia latsa-paka
OZ16
2.
Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no lelafina
yveratsimb
3.
Tendrombohitra fandrian' ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian' ny saina
yveratsimb
4.
Tendrombohitra sy zavona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona.
yveratsimb
5.
Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanĂ na maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso
yveratsimb
6.
Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny renirano fandrian'ny mamba fa ny olombelona kosa fandrian'ny adidy sy ny andraikitra.
yveratsimb
7.
Ny fo ranomafana, ny tendrom-po tsy mba namana
niryna
8.
Tsy mba sompanga miantendro vero fa tsimbotry mandady amin'ny tany.
soanja
9.
Tsy mba tahaka ny dingadingana an-kady ka sady iva no vasoka, fa tahaka ny hasin'Ambatomiantendro ka sady avo no mandina
bobone
10.
aza mitarika hazo an-tendrony
latina
11.
Ny tendrombohitra tsy mihoatra an'Ankaratra, ny lohasaha tsy mihoatra ny lempona fa raha avo ihany tsy misy ohatra an'Andriamanitra
bobone
12.
raha mitovy ihany ve dia hihampitana tendrom-bohitra
doum
13.
Aza mandray an-tendrony
JMR
14.
Aza manao volo ngita mifandray tendro
mandrindra
15.
Tifiro ny lanitra sao mba mahavoa tendrom-bohitra
JMR
16.
Ny tendrom-po tsy mba namana
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0228