Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe toerana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
toerana
Hampiditra ohabolana
1.
akoholahy maneno an-tsena, tsy hery fa alahelo ny toerana nilaozana
Jocelyn Bellarmain
2.
Mihena an-toerana toy ny fen'antitra
OZ16
3.
Mifanaratsy an-toerana toy ny bokan'i Leagna
OZ16
4.
Toerana nahavokisana tsihy hitoerana ela
madacarsservice
5.
Mifanaratsy apitoerana, oatrany boka mitanin'andro
aer0jhony
6.
Raha hitsangan-tsy mahay, aleo misonenika an-toerana
yveratsimb
7.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
8.
Saobakaka anaty kamory ka hitoetra toa ho faty , hifindra toerana toa tsy ho velona.
soanja
9.
Voanemba mitsipika an-joro ,tsy very fa maka toerana .
niryna
10.
Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena
niryna
11.
Tsara toerana tahaka ny tantely, fomba fiteny avy ka nahazoam-boninahitra.
aivetinakely
12.
Vato atao fototra trano, tsy ny hatsarà ny ihany no kendrena fa ny toerana niaviany.
aivetinakely
13.
Hambompo manan-toerana fa ny zaza tsy azo ariana.
aivetinakely
14.
Aza kivy ilaozan-tiana, fa iray lasa folo manontany toerana.
aivetinakely
15.
Izay mitondra ny soavaly avo toerana dia mitondra azy hianjera avo dia avo
niryna
16.
Faly sahirana tahaka ilay bevohoka nanao kamaban-telo, ny kibo nitoerana antonina ihany fa ny nono omena no tsy ampy
Bocassa
17.
voanemba mitsipika anjoro, tsy very fa maka toerana
tsonaneh
18.
Voanemba nipitika an-joro, tsy very fa maka toerana
elyzo
19.
Vato roa mifanila, ny lehibe tsy manome toerana, ny kely tsy mangataka afa-mangataka.
aivetinakely
20.
Mihena an-toerana toa fen'antitra.
niryna
21.
Ny mpanao ratsy dia miverina amin'ny toerana nanaovany ratsy ihany.
niryna
22.
Mihena antoerana toa fen'antitra, lany ampitoerana toa volan'adala.
niryna
23.
Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka toerana
rtol
24.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
25.
Mihena an-toerana ohatran'ny fen'antitra
ikalamako
26.
Sahobakàka ambodiriana, tsara toerana fa be tebiteby.
aivetinakely
27.
Fanitsiana : Manaova toy ny vato andava-drano, tsy miady fa mifanazary toerana
aivetinakely
28.
Manaova toy ny vao andava-drano tsy miady fa mifanajary toerana
aivetinakely
29.
Mifanaratsy an-toerana ohatra an-dRafotsibe mitanin'andro
latina
30.
Ny toerana no tsy lavorary, ny trano atsimo sy avaratra no mifanaratsy
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.229