Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tohan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tohan
Hampiditra ohabolana
1.
Tehin-kiho ampiakarana, tsy haingo fa tohan' aina
Jocelyn Bellarmain
2.
Be hambo toa rambon'osy ny lanitra tsy ianjeran no tohanana nefa ny vody lanin'ny moka tsy hita.
Ligo
3.
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan'aina, raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
aivetinakely
4.
Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana, ny vody lanin'ny moka tsy heverina
yveratsimb
5.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
6.
Be famangitra toa rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana, fa ny fitombenana lanin'ny moka tsy tsaroana.
romanzo
7.
Fahasoavana hiditra ny varavarana ve hotohanana fanoto.
aivetinakely
8.
Raha mety ny atao, saobakaka mampidi-drano ketsa, raha tsy mety ny atao, tain'akoho aza maha-tafitohana.
king58
9.
Aza be rehereha ohatry ny rambon'osy ka lanitra tsy hianjera avy no tohanana.
rivoS
10.
Be famaritra toa rambon'osy, lanitra tsy hianjera tohanana fa ny vody lanin'ny moka tsy heverina
zanakantitra
11.
be famaritra toy ny rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana nefa ny vody kakerin'ny moka tsy hita
ikoto
12.
Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
Swin
13.
Miraparapa ohatra ny olona tsy misy maso ka tafintohana mitatao vovonana
razooz
14.
be famaritra tahaka ny rambon'osy: lanitra tsy hianjera no tohanana
jentilisa
15.
Mpitery mahita ny tohany ary mpirohy mahita ny traingony
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0571