Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsoka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsoka
Hampiditra ohabolana
1.
Henan' ny mpitsoka mozika, ataovy tsara zara fa vidim-pofon' aina .
ikalamako
2.
manakarena mahihatra tsy ampy tsoka ka maty alohan`ny ombiny
luc1407fanomezana2
3.
Adin-jamba ka izay vonona no afitsoka.
BEDOGAIGY
4.
Akoholahy miady am-pasika, ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.
aivetinakely
5.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : ka raha marary ny tanana ,dia mitsoka ny vava; ary raha marary ny vava,dia misafo ny tanana .
yveratsimb
6.
Ataovy toy ny fitiavan'ny tanana sy vava; raha marary ny tanana, mitsoka ny vava ary raha marary ny vava manafosafo ny tanana
road
7.
Hodin-tsokatra ilatsahan-kavandra ka mikoriana any ivelany.
soanja
8.
Ditsokan'ny haitraitrany toy ny voalavo mangetotra ampatana
Ratianakel
9.
Papango nifaoka hodi-tsokatra: nahazo ihany fa akorany
niryna
10.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.
aivetinakely
11.
Aza atao misomidika ambony toa menaka ny fihavanana fa ataovy latsaka anaty toa tsoka.
aivetinakely
12.
Sima mitsoka afo, ka ny lavenona no miavovona aloha.
aivetinakely
13.
Aza manao amboa ditsoka (na dian'omby jamba)
latina
14.
Ny ady volom-balala: ka izay tia azy ihany no ditsoka
latina
15.
Tsy alikalahin'ialahy ny ben'ny tanàna, no sady hamfa làlana no hitsoka kiririoka
jex
16.
Raha maratra ny tanana, mitsotsoka ny vava. Raha marary ny molotra, misafosafo ny tanana. Aza mitoto vary fohy loha. Aza manolo-bato mafana ny zaza. Mahery tsy maody hono tsy ho ela velona. Ataovy fisotro ranon'akoho, izay azo kely no andrandraina.
nanapiso
17.
Aza atao fihavanana somidika ambony toa menaka, fa ataovy fihavanana latsaka anaty toa tsoka
rakekely
18.
Manaova toy ny vava sy tanana ka raha maharary ny tanana mitsoka ny vava raha maharary ny vava misafo ny tanana
doum
19.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana; koa raha maray ny vava misafo ny tanana ary raha marary ny tanana mitsoka ny vava
mandrindra
20.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
21.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka
McFy
22.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana mitsoka ny vava, raha marary ny vava misafo ny tanana.
lanto
23.
Aza ny vato handràtra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1434