Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant vady
Liste des proverbes, contenant
vady
Insérer un proverbe
61.
Vady tsy mahatombon-tsiraka, ka avelao hanarin'ny asany
aivetinakely
62.
Aza misengy manana vady tsara tarehy, fa ny hatsaràny ihany no hamadihany anao.
aivetinakely
63.
Ny vady jerijery, ny rafozana fanambina.
aivetinakely
64.
Vady tsy lasam-bodiondry, sady tsy ara-dalàna no tsy toloram-pahefàna.
aivetinakely
65.
Izay tia rafozana mitsinjo ny rahampitso, izay malay vady mandrava ny androany.
aivetinakely
66.
Ny vady filàna hevitra , ny namana mpanavotra amin'ny sarotra
aivetinakely
67.
manalasala toa vady lava nify, atao aoriana toa hanaikitra ihany, atao aloha toa hihomehy amin'ny hafa.
elyzo
68.
Aza matoky na na vady andefomandry aza, fa ny olona samy manana ny sainy.
sylvoalias
69.
Mifosa tena toy ny mifosa vady
niryna
70.
Aza midera vady mahay mandihy fa aoka ny sandriny no hilaza azy
niryna
71.
Miatranatrana toa vady vao.
ilanto
72.
Vady tiana zegny mitombo tarehy
Ambininjanahary
73.
ny fahaizana no vady tsy mamitaka
boli2
74.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny no hilaza azy
rtol
75.
Toy ny akoholahy an' Antanantanana ka ny mazava mitarika vady maro fa ny alina kosa mandry amin'ny tainy
rtol
76.
Tany ikafaran-kilevenana;vady tsy tian-kianterana
niryna
77.
Tezera-manatona tahaka ny vady aman-janaka.
aivetinakely
78.
tsa misy fo mahafoa vady hoe, fa ny maso no te hanan - droa.
ratanana
79.
Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany.
aivetinakely
80.
Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
ikalamako
81.
Ny manary vady tanora manome ny tsy manana
aivetinakely
82.
Tezera-manatona tahaka ny vady aman-janaka
aivetinakely
83.
Raha tiana ny vady, ny ravozana no tsinjovi-mandefitra
niryna
84.
Maimay hivady ka dodona hisaraka.
niryna
85.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
86.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
Aotsara
87.
Fara-vady anadahy
latina
88.
Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
latina
89.
aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
latina
90.
Mitranga matetika ohatra ny fifandiran'ny mpivady
latina
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158