Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vinanto
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vinanto
Hampiditra ohabolana
1.
Manao azy ho toy ilay vinanto mahay mandrafitra,ka mitondra hazo mivilana avy any an'ala.
gui.razafindrazaka
2.
-Mitonantonana hotran'ny vinanto tsy mahare fosa, vao eny ambaravarana dia efa mitsiky vendrana
danbal
3.
Misolantsolana ohatra ny vinanto tsy mahare fosa.
Minouchka
4.
Vinantovavy mahandro saonjo ka maty fosa hoe tsy te-hanome.
aivetinakely
5.
Misosososo tahaka ny vinanto tsy mahare fosa.
aivetinakely
6.
Fosafosa mankarary vinanto, latsalatsa mampahory rafozana.
aivetinakely
7.
Vinanto tia fosa rafozana, tsy mitsinjo ny ho farany.
aivetinakely
8.
Sahiran-dava tahaka ny rafozana tonga vinanto ka manadino ny hanitra tokony hampitaina.
aivetinakely
9.
Tonga ho azy toy ny vinanto tsy mahare-fosa
niryna
10.
Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
niryna
11.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
latina
12.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matimperiny ary mivimbina ny avany dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra
zndriana
13.
misososo toa ny vinanto tsy mahare fosa
belobe
14.
Ka mody malahelo manahaky vinanto mandevin-drafoza
roscarb
15.
Mba sitran'ahay hoy ty vinanto nitsapa nonon-drafoza
roscarb
16.
Misosososo otrany vinanto tsy mahare fosa.
ariel
17.
raha vinanto tsara fifidy, tsy vinanto fa isan-janaka
zouzou
18.
rafonzan-doza sy vinanto tsy vanona, tafaray samy varatra
zouzou
19.
Avy vinanto marani-pangady, avy rafozana vondrak'akoho.
ftma
20.
rafozan-doza sy vinanto tsy vanona
doum
21.
Vinantolahy tonga rafozana, akoho iray no ho vonoina ka antsy fito no ahetsiketsika
JMR
22.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona
jentilisa
23.
mitonatonana toy ny vinanto tsy mahare fosa
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0814