Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vozon
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vozon
Hampiditra ohabolana
1.
Eran'ambatry tsy ampy, vozon'akoho no manefa
hery
2.
mampisalasala tahaka n vozon'akoho;hanina taolan,hariana hena.
SYLLA8
3.
Ombilahy be vozona ka tsy mifidy tany hiadiana.
aivetinakely
4.
Varifitoventy mahatapaka ny vozon' akoho
yveratsimb
5.
Manalasala toa vozon'akoho tanora, hanina toa taolana, ariana toa nofony ihany
yveratsimb
6.
Varidimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily an-katoka.
soanja
7.
Faly sahirana tahaka ny vahiny tolorana vozon'akoho, jeren'ny maso toa hena azo hanina fa tsakoin'ny nify toa taolana mikarepoka.
thonli
8.
Manalasala toy ny vozon'akoho, hariana toa hena, hohanina feno taolana
aivetinakely
9.
Tahaka ny mividy ombalahy mpiady ka ny tandrony aloha vao ny vozony.
ontsy
10.
Ny lasa toy ny vozon'akanjo hitodihan-tsy hita nefa manaragarana aoriana ihany
Dadamaintso
11.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
12.
manalasala ohatry ny vozon'akoho tanora, atao nofony toa taolana, atao taolana toa nofony
raniry
13.
Vary dimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily any an-katony
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1687