Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe zana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
zana
Hampiditra ohabolana
1.
Hafa mihitsy rehefa Tsiky sy Hehy no tazana eny amin'ny endrik'ise!
AsaphMahane
2.
NY ASA Ny asa no lova, soa tsy lany hasina, Andaniana ny fotoana, amin’ny fo sy saina. Fa ny fety koa indraindray, fitsaharana masina, Hanangonana hery hifohazana maraina. #Mahane
AsaphMahane
3.
Mopera vaky damozana, "Samby vita ry zanako".
FatikyRaketa
4.
Aza mitsako alohan'ny vazana
Aimpo
5.
Vahinin’ny Andriamora, variana nitazana ny tsy ho azony akory. Ny Andri-Fara : 03.07.2000
SANAKERIB
6.
Boka mangata-pitahiana,zanahary hanome no anombanana totohondry
raolivivere53
7.
raha tanora tsy hilalao dia aleo mody ho antitra, fa raha antitra tsy hampiady karajia dia aleo mody ho razana
Jocelyn Bellarmain
8.
akoholahy maneno an-tsena, tsy hery fa alahelo ny toerana nilaozana
Jocelyn Bellarmain
9.
Aza matoky fahaizana fa,misy ny vitana sy ny anjara
Jj.be
10.
Ratsy vintana toy ny PÔ, amanizana vao velon-kira
Aloka24
11.
Ny reny tsy mahafoy zanaka fa ny zanaka mahafoy reny. ka raha lasa reny hianao ?
niryna
12.
Zanak'ondry mifatotra amoro-ketsa, fararanon'ny maso fa tsy fararanon'ny kibo.
Jj190263
13.
Njola mangata-bady, ka ny rafozana no voatilitily
Mannhery
14.
Ny fahavoazana dia mahafaoka henatra
rado_albert
15.
Na dia tiako aza ny trandraka fa zaho tsy hibaby zana-kiva
fidah241
16.
Arahabao izay hita fa tsy fantatra izay ho rafozana.
Ny_Arlinah
17.
Raha tiana ny vady,ny rafozana no tsinjovi-mandeha.
Ny_Arlinah
18.
Zanaky ny efa mangotraka,tsy matahotry ny hangorovitsika.
Ny_Arlinah
19.
"Raha ankizy tsy hilalao mody ho tanora, raha tanora tsy ho jejo mody ho antitra, raha antitra tsy ampiady karajy mody ho razana, raha razana tsy mitahy mifohaza iady Vomanga."
FidinarivoRakotozanany
20.
Dedaka tonga rafozana ka trano bongo no asiana fandri-baratra
Bouba_lova
21.
Sanganehana tahaka ny ondry nanambady alika, ny vody lisaka nefa ny zanaka tsy hanahaka.
Bouba_lova
22.
Raha ny rainy ve ny mitsako sy mihinana ny marikivy, dia avy eo ny zanany lasa madilo nify
tahiana.dafy2015
23.
Kapila hinanana tsy hangerezana
damy002
24.
Raha razana tsy hitahy mifohaza iady vomanga
aer0jhony
25.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
OZ16
26.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
27.
Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
OZ16
28.
Ny valala vôna agn'Isandra ko agnareo fa miady fagnendezana
OZ16
29.
Aza mba toy ny akoho fahanana: izay anipazana hanina endrehina daholo
ginyellow8
30.
akoholahy mikokokoko akohovavy,tsy hanina havoky fa voninahitra ifanomezana
heriy
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0162