Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste des proverbes, dans la catégorie
vilany
Insérer un proverbe
1.
Anti-bavy nahandro sakafo, antanan'ny tompony!
Angonoka
2.
Ela nizarana ny tsara sy matsiro toy ny vilanin'ny antitra.
Angonoka
3.
Ela niaretana ny mahamay toy ny vilanin'antitra.
Angonoka
4.
Tsy sitrapon'ny vilany ny ho mainty fa dorana andro aman'alina izy ka ngerona.
aivetinakely
5.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany , fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany.
aivetinakely
6.
Vilagny vy natrao-bazaha: teto laha niharo. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
7.
Lohan'aomby aroe tsy tandry vilagny araiky. (Ohabolana Antakarana)
soanja
8.
Vilany borin'Amboatany: ariana tsy foy, avela manebaka ny trano.
soanja
9.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
10.
Aza manao toy ny vilany, ny vody efa main'ny afo nefa ny hanina lanin'ny sasany
Ratianakel
11.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany
aivetinakely
12.
Vilany misarona ka toa misy hena ihany
jentilisa
13.
toko tapaka, vilany mitongilana izay tsy mety arenina
jentilisa
14.
Vilany be nandrahoan-kena tsy hilaozan' izay motimotiny ho diso
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0089