Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4621.
ny anambadi-kiadanana
caloh
4622.
ny teny toy ny rano ka raha latsaka tsy azo raofina
ravi
4623.
aleo mifanena pamozavy toy izay mifanena amin'ny pandainga
ravi
4624.
Tsy misy tombo sy hala: fa ny iray vy nahitana, ary ny iray angady nananana
rapala
4625.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry; tsy tiana, mitampody
rapala
4626.
Mpifankatia tsy miresaka ka very ny roatokom-pitiavana
ninise
4627.
Tena vonona ohatran'ny vadivao miakatra alina
Lebiry415
4628.
Tarondro mibaby antely : ratsy fa mitondra raha tsara
Lebiry415
4629.
Ny endriky ny olona dia milaza ny miafina ao am-pony
Onira
4630.
Aleo mamisavisa lalan-dratsy misy iviliana toy izay manantena lalan-tsara mandentika.
Onira
4631.
Tovolahy manambady anti-bavy, tolomina toa Renibe avela anefa anjaran'ny tena
arson
4632.
sola mangery diavolana ka tsy fantatra intsony ny lohany sy ny vodiny
rindraintsoa
4633.
ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolan-kolana
rindraintsoa
4634.
akoholahin'Antanantanana ka ny feony fotsiny no manga fa ny volom-bodiny ringitra
rindraintsoa
4635.
mpanankarena manjono ka tsy mahazo naman'ny vonona ary raha mahazo atao fanampin-daoka
rindraintsoa
4636.
misososo toa ny vinanto tsy mahare fosa
belobe
4637.
ny manambady ny masiaka, mitahiry varatra an-trano ary ny manabady ny kamo, mitahiry faty tsy maimbo
antsiry
4638.
Ny lainga toy ny salaka ka iray mihodidina iany
tia
4639.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
4640.
hoy ny foko Bara: Roboky lahy gny hatea sata gny fahalegna
Kinga
4641.
tsy ny adala no adala fa izay manadala ny adala
bellla
4642.
Izay ela fiemboka may lamba
vats
4643.
Rafotsibe omam-bomanga ka kenda nasesiky ny tanany
tovolahy007
4644.
Misaotra vady tanora ka manome zara ho an'ny sasany
tovolahy007
4645.
aza varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso
tovolahy007
4646.
Aza mitsipa-doha ny laka-nitahana
tovolahy007
4647.
Bevohoka mitsidika ka na dia mbola eny ivelany aza ny vatana, ny kibo efa tafiditra.
hahaha
4648.
Traky nify mamangy ka eny ambavahady dia efa mivaniaka.
hahaha
4649.
Ampongaben'ny Mandritsara, tsy niany narignesana
Antanantsimihety
4650.
manalasala ohatryny manambady traky nify ato eo aloha atahorana hitsiky @hafa atao aoriana atahorana hanaikitra
dadou
Voalohany
Mialoha
153
154
155
156
157
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0411