Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
4651.
izay maha vangivangy tia-kana
minha
4652.
Vitsika nitondra valala: ny kibo hasiana tsy misy fa madilana ; ny deraderany no tsy toha.
soanja
4653.
Vorom-bazaha misasa, ka samy manao izay saim-pantany.
soanja
4654.
Vitsika nahazo valala: zakan'ny aina, fa tsy omby ny vava.
soanja
4655.
Volom-bodin'akoholahy malaza: tsara ihany fa any ivohon'ny namany.
soanja
4656.
Za-drano, toa amalona antitra.
soanja
4657.
Sodokan'ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano.
soanja
4658.
Lomano an-dranomasina be ny vita ary be koa ny tavela
bmw307
4659.
Lavak'oron-dambo nambolen-tshogno
bmw307
4660.
ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo
harikalo
4661.
Fihavana-molotra, tezitra vao mifanantona. Fihavanan'alika, tezitra vao mivanika.
RALANTO
4662.
Havana raha misy patsa
RALANTO
4663.
Ady voay, mamban'ny Karijavola ka ny voamasony ihany no potsirina.
RALANTO
4664.
Ranon'i Betsiboka, tonga namana vao mavomavo.
RALANTO
4665.
Ny hevitra terabary ka samy milaza izay ao am-pony
murier
4666.
Aleo halan'Andriana toy izay halam-bahoaka
herndi
4667.
na dia tsy vidimbola aza ny rano, ny toto-kena tsy fanasa
ampitiavanabe
4668.
izay namafy rivotra dia hijinja tadio
ampitiavanabe
4669.
Ny teny toy ny salaka raha lava mandavo tompo
mahalafo
4670.
Indimy mahita maizina tahaka ny jamba miakanjo mainty, manao solomaso mainty, mandeha ao anaty tonelina amin' ny andro alina
fek
4671.
tonga tsy nasaina nasesiky ny razana
amina6
4672.
raha voadona ny aty marary ny afero
amina6
4673.
Mpivarodrano TRtr`orana ka henjehiny asa nataony
radolany
4674.
Mpivarodrano tratr`orana ka henjehiny asa nataony
radolany
4675.
marenina
jobily
4676.
Roa lahy mian'ala, izy tokiko, izaho tokiny.
RALANTO
4677.
aza manao toa ny amboalahy miandry emboka akondro ; ka andrasana toa tsy hilatsaka ; ilaozana toa hena
fitaka
4678.
toa ilay voalavo nilomano ranomasina efa be ny vita ary mbola be koa ny hatao
romeobera
4679.
aza manao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy
ramilo
4680.
Soro-bilan'ny ngita volo, tsy soritra fa lalan-driaka
Gildas
First
Previous
154
155
156
157
158
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0237