Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
4681.
tsy satrim-parihy hiloa-potaka fa ao ny mpanakobana
mbelo
4682.
tsy satrin'ny angady hihosim-potaka fa ao ny tana-manosika;
mbelo
4683.
Ny fasana miandry mahazo, ny olona miandry tsy fidiny
mbelo
4684.
Ny soa atao sakafo, ny vava ratsy adidy
mbelo
4685.
Sola miondam-boatavo, ka tafaraka samy malama
manase
4686.
tsy misy ny mangidy ka tsy hitondra mamy
tsikomen
4687.
Raha laza no ilaina, tsy ny ditra no hifaninanana !
tsikomen
4688.
Manalasala ohatry ny volom-pitombenana, hongotana maharary, tsy hongotana mitazona maloto.
Kintanakely
4689.
Aiza izy zany toa bé volombolony tsy hitako akory ny ateviny molony
rafozanasket
4690.
Toiny valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia
rafozanasket
4691.
Kapok'alikany be lamosina indray mifoaka ny tongony sy ny lohany
rafozanasket
4692.
Sola niaraka ihany rasta ve vao ifanary
rafozanasket
4693.
Zay mangina volamena fa izay mitabataba varahina
rafozanasket
4694.
aza mamahan_dalitra tahakan'ny mpanao ronono an_tavy
bobone
4695.
Sira latsaka an-drano ka mamoy no mety
bobone
4696.
Faly sahirana tahaka ny masikiny nahazo katsaka, ny kibo voky eo ihany fa ny lakatim_bava no vizana
bobone
4697.
Faly sahirana tahaka ny masikiny nihinan_katsaka, ny kibo voky eo ihany fa ny lakatim_bava no vizana
bobone
4698.
Tsy alikalahin'ialahy ny ben'ny tanàna, no sady hamfa làlana no hitsoka kiririoka
jex
4699.
Vehivavy nampiakarin-dahy, hanao no aleha
RABEGASY
4700.
boka mamonjy lanonana tonga ihany fa tsy isan'olona
jossy1
4701.
Aza atao fihavanam-bato, raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, raha tapaka azo tetenina
rajah
4702.
Manao faty besakoa laha maty mianky
kalamimi
4703.
Omeonareo olo vahinintsika io tsy noho tsy hahatindry tihy
kalamimi
4704.
mitsapipiky atao lasitiky aja reo laha misinjaky
kalamimi
4705.
kobay afofoky, intoy intoy koa
kalamimi
4706.
Boka mikavina, tsy haingo fa fitehirizan-karena. Boka mangala-pary : ny fary tsy azo, fa ny tanana feno lay. Boka mangala-boatavo, ka mifampitolona samy malama.
natix007
4707.
Rafotsibe mita rano, ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra
natix007
4708.
Sola manasa tava, ka vita hatramin'ny loha
natix007
4709.
Boka mangala-pihinana ka lany andro eo am-pisangiana takotra
Iantra1
4710.
Vady tiana k'aza vambaina
Iantra1
First
Previous
155
156
157
158
159
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0227