Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4741.
ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
nanette
4742.
Na maro aza ny antsy toto-kena tsy azo tetehina
dadou
4743.
faly sahirana toy ny lehilahy mampirafy ka mihinana roa vao jejo maso
dadou
4744.
Ny teny tsara mahamora harena
hery
4745.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
4746.
Ny teny toy ny ketsa : lava mamato-tena, fohy afatotry ny olona.
mbelo
4747.
akoho kely lasam-papango tonga ambony vao tra-pahoriana
dadou
4748.
sasa - poana ohatry ny voalavo manaiki - by
dadou
4749.
Maso-tsokina masom-boalavo, izay kely ananana no ahiratra
Malalason
4750.
horakoraka ny an'i Sahona fa ny tsiboboka no tompon-drano
Malalason
4751.
ny atody tsy miady amin'ny vato
Malalason
4752.
Ny lemilemin-dradity no nahafaty an-drafody
Malalason
4753.
tsipak'ombalahy ny ana-dray sy Reny mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina
Malalason
4754.
tsy resy tsy akory ny olo-mangina...
Malalason
4755.
taitra ny olona tsy mba taitra fa taitra irery vao mamaky takotra
Malalason
4756.
Miteny tsy afa-tsiny toy ilay tovolahy manambady rafotsy be, itositosiana toa renibe, hilaozana nefa anjaran'ny tena, loa-bary sisa iononana, mihinana fa izay voky maharaka ny namany
ramix
4757.
miteny tsy afa-tsiny toy ny rafotsibe mihinan-kitoza, ny tsiro no tadiavina ka ny ivy no raraka
ramix
4758.
Manantena ny haben'ny lava-body ka mitelina voanjavoka
dadou
4759.
boka mangala_boatavo mifampitolona samy malama
dadou
4760.
Mananimanany ka arety hamono zao lahy
roscarb
4761.
Horita avao lahy ro mihinam-bata
roscarb
4762.
Ka mody malahelo manahaky vinanto mandevin-drafoza
roscarb
4763.
Ilà ty aroy ie tsy mety, ilà ty tay ie tsy mety, bakeo @'zay todry ty mandrogay
roscarb
4764.
Na ino midona na ino mihatra, eto tsika hijery azy hoy: Sabiby
roscarb
4765.
alika mivovo, tsy siaky fa tahotse
roscarb
4766.
alika avao ro masiaky an-tanà
roscarb
4767.
Finamàn'alika: manatiry bakeo atery
roscarb
4768.
Manao finamàn'alika ka taola ro ialia
roscarb
4769.
Mitsapatsapa vodin'akoho: raha tsy tay atody
roscarb
4770.
Hoy ty antimo any hoe: tano ny azo fa sarotse ty mila
roscarb
Voalohany
Mialoha
157
158
159
160
161
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145