Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
5851.
molo-bilany ka iray mihodidina
kabarih
5852.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy ; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty
hery
5853.
Ny maty aza te-ho maro
hery
5854.
Raha monina anosy, lavitra olon-kiresahana
hery
5855.
Maso sy orona ka alahelo no iraisana
hery
5856.
Ny roa no tsara noho ny iray : raha lavo misy mpanarina
hery
5857.
Ny vitsy lanin'ny vitsika
hery
5858.
Izay be no basy
hery
5859.
Olon-drery tsy mba vahoaka
hery
5860.
Tondro tokana tsy mahazo hao
hery
5861.
Ny hazo tokana tsy mba ala
hery
5862.
Tsy misy mitolo-batana, fa izay melo-bava no meloka
hery
5863.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
5864.
Teny tsy azo mampihazohazo
hery
5865.
Tantely tapa-bata ka ny vava no mameno azy
hery
5866.
Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
5867.
Ny teny malemy mahamora harena
hery
5868.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
hery
5869.
Ny teny toy ny fonosana ka izay mamono no mamaha
hery
5870.
Ny teny toy ny tory hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
hery
5871.
Ny teny toy ny ombimanga anaty vero, ka raha pizina latsaka an-kady
hery
5872.
Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
hery
5873.
Ny teny imaso tsy mba kilema
hery
5874.
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
5875.
Raha sosoa no ataon-dRahavana, izaho irery no mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo
hery
5876.
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, vava no manala ; raha revon'alahelo, ny havana itarainana
hery
5877.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
5878.
Ny havan-tiana tsy iaraha-monina
hery
5879.
Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery
hery
5880.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
First
Previous
194
195
196
197
198
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0253