Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5821.
Raha monina anosy, lavitra olon-kiresahana
hery
5822.
Maso sy orona ka alahelo no iraisana
hery
5823.
Ny roa no tsara noho ny iray : raha lavo misy mpanarina
hery
5824.
Ny vitsy lanin'ny vitsika
hery
5825.
Izay be no basy
hery
5826.
Olon-drery tsy mba vahoaka
hery
5827.
Tondro tokana tsy mahazo hao
hery
5828.
Ny hazo tokana tsy mba ala
hery
5829.
Tsy misy mitolo-batana, fa izay melo-bava no meloka
hery
5830.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
5831.
Teny tsy azo mampihazohazo
hery
5832.
Tantely tapa-bata ka ny vava no mameno azy
hery
5833.
Raha tsy mahalĂ izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
5834.
Ny teny malemy mahamora harena
hery
5835.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
hery
5836.
Ny teny toy ny fonosana ka izay mamono no mamaha
hery
5837.
Ny teny toy ny tory hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
hery
5838.
Ny teny toy ny ombimanga anaty vero, ka raha pizina latsaka an-kady
hery
5839.
Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
hery
5840.
Ny teny imaso tsy mba kilema
hery
5841.
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
5842.
Raha sosoa no ataon-dRahavana, izaho irery no mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo
hery
5843.
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, vava no manala ; raha revon'alahelo, ny havana itarainana
hery
5844.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
5845.
Ny havan-tiana tsy iaraha-monina
hery
5846.
Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery
hery
5847.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
5848.
Ny havana ihany no manavangavana
hery
5849.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'Ilaimora : ny aloha vaosafosafo ary ny aoriana voatehatehaka
hery
5850.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka soron'afo no hita
hery
Voalohany
Mialoha
193
194
195
196
197
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0313