Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5791.
Hafahafa toa sifotra ka ny tamenany indray no ariana
jentilisa
5792.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana ka sendra izay homan'olona
jentilisa
5793.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
5794.
Vatan'oron-dambo mitrongy vao homana
jentilisa
5795.
mampakatra feta tsy madity, avy ny orana dia akipany
jentilisa
5796.
Tongo-boromahery tsy maka an-kasarotana
jentilisa
5797.
tafika efa nidika tsy azo ajanona intsony
jentilisa
5798.
tongotra mby an-dakana ka tsy mimpody intsony
jentilisa
5799.
Nahoana no mpanefy ka dombo antsy?
jentilisa
5800.
tehatehaka tsy mampiempa-tanana
jentilisa
5801.
ny kamo ihany no sasatra
jentilisa
5802.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
5803.
Manantena ny efa azo ka tsy mandray ravin-dena
jentilisa
5804.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana
vaovao
5805.
tsy mety raha tai-dronono mandroatra
jentilisa
5806.
miditra manimbolo, mivoaka manimbolo
jentilisa
5807.
toy ny rivotra ankadilanana, ny avy avy moa ny tsy avy misesika
jentilisa
5808.
Indrakindrafana toy ny soavaly vao miakatra an'i Mahamasina
jentilisa
5809.
mitonatonana toy ny vinanto tsy mahare fosa
jentilisa
5810.
Zanaky ny omby masiaka tsy mba matahotra ny reniny
jentilisa
5811.
mifankatia amin'amalona; nony sendra tia nabolilany
jentilisa
5812.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-pihavy fa mahatondra-drano
jentilisa
5813.
Zavarin'ny fitia manantombo ka intelo miarahaba ihany
jentilisa
5814.
Lasa mpifosa vao mifafa trano
jentilisa
5815.
mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
jentilisa
5816.
Tia ihany ka saro-kenatra?
jentilisa
5817.
didimaso asiam-panafody ka mahareta fa hanana ny soa
jentilisa
5818.
Omena mody voky kanefa mangala-pihinana ihany
McFy
5819.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
McFy
5820.
Sakay sy voan-tsiperifery ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
McFy
Voalohany
Mialoha
192
193
194
195
196
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.044