Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5731.
Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
JMR
5732.
Noana tsy manan-kangatahina, voky tsy manan-kanolorana ny momba
jentilisa
5733.
Ny vady no tiana ka ny rafozana no malala
jentilisa
5734.
Miasa jamba rafozana, herim-po very foana
jentilisa
5735.
Be setrasetra ka mamely daka rafozana
jentilisa
5736.
Arahabao ihany izay hita fa tsy fantatra izay fara-rafozana
jentilisa
5737.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona
jentilisa
5738.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
5739.
Aleo tsy tiam-bady toy izay tsy tian-drafozana
jentilisa
5740.
ny hovadiana be ihany fa ny horafozanina no tsy misy
jentilisa
5741.
Ory ampiana toa vehivavy rafy
jentilisa
5742.
Rafotsibe naka rafy ka naka loza ho an'ny tena
jentilisa
5743.
faravady anadahy
jentilisa
5744.
Mpitery mahita ny tohany ary mpirohy mahita ny traingony
jentilisa
5745.
foza lahy atakalo foza vavy
jentilisa
5746.
Boka mihalo-poza, mipaka ihany fa tsy mitondra
jentilisa
5747.
Boka mihinan-kitoza ny fihinana lavorary fa ny manala kaka no ady mafana
jentilisa
5748.
Be filaza fa kely fitondra
jentilisa
5749.
Fatra-pila tombony ka natombony
jentilisa
5750.
Hafahafa toa sifotra ka ny tamenany indray no ariana
jentilisa
5751.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana ka sendra izay homan'olona
jentilisa
5752.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
5753.
Vatan'oron-dambo mitrongy vao homana
jentilisa
5754.
mampakatra feta tsy madity, avy ny orana dia akipany
jentilisa
5755.
Tongo-boromahery tsy maka an-kasarotana
jentilisa
5756.
tafika efa nidika tsy azo ajanona intsony
jentilisa
5757.
tongotra mby an-dakana ka tsy mimpody intsony
jentilisa
5758.
Nahoana no mpanefy ka dombo antsy?
jentilisa
5759.
tehatehaka tsy mampiempa-tanana
jentilisa
5760.
ny kamo ihany no sasatra
jentilisa
Voalohany
Mialoha
190
191
192
193
194
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0257