Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
hery
Hampiditra ohabolana
1.
Mahitsy tahaka ny tsinaim-balala
hery
2.
Farihy maty mamba ka itsobohan'ny adala rehetra
hery
3.
Mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka
hery
4.
Androngo efa hita, na mitsipelika aza tsy mahataitra intsony
hery
5.
Manan-karena mitafy jiafotsy, tototry ny lazany ihany
hery
6.
Azon'ny haren-tsy manarana ka mitafy lamba endrikendrika
hery
7.
Eran'ambatry tsy ampy, vozon'akoho no manefa
hery
8.
Akoho tokan'anaka, avo sasaka vao halan-tompo
hery
9.
Izay mahay mihaino no mahay miteny
hery
10.
Ny adala no omena vady fa ny hendry misafidy
hery
11.
Aleo maty olo-manga toa izay velona olo-meloka
hery
12.
Trafon-kena ambony ravina, ny manindry malemy, ny tsindriana malemy
hery
13.
Mitangorongorom-poana toa voangory ho ritra
hery
14.
Midodododo amin-doza tahaka ny omby hatao afana
hery
15.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
16.
Voalavo anaty siny, boribory ny lanitra
hery
17.
Ny takatra no nahavita trano ka ny vorondolo no mibohy
hery
18.
Lomanom-boka ka tafita vao rendrika
hery
19.
Fohy fa henjana tahaka ny rambon'omby tapaka
hery
20.
Akoho mitsiri-bilany, mijery ny fasana ilevenany
hery
21.
Matavy miady, ny mamely tsemboka, ny asiana tsemboka
hery
22.
Miankanjo vahoaka raha lohataona fa mihanja-pasika fahavaratra ohatra ny moron-dranomasin' Amborovy
hery
23.
Matsabory ambany tanàna, ndray tsy higiahigny fa hanasana vity
hery
24.
Matsabory feno tatamo, madio fa tsy mazava
hery
25.
Vady tsy vita fômba ka raha tromban'Amboa, avy tsy kahiana
hery
26.
Lokin'ny vady tiana, manta mahatana am-bôtraka, magôdra môra ateligny
hery
27.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
28.
Tampotampoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
hery
29.
Ny teny tsara mahamora harena
hery
30.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116