Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tandrok
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tandrok
Hampiditra ohabolana
1.
Hatsipy ny tady eny antandroky ny omby, hatsipy ny teny ao ampon`ny mahalala
RIJA08
2.
"aza midongy ho avo hoatra ny tandroka, na ho ambony hoatra ny trafo, fa tsy ny ambony no hajaina, fa izay hajaina no ambony"
tenymamy
3.
Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany
kels
4.
omby mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
Nyavorakoto
5.
Ondrilahin'Ambohimangidy: hondrihondriny iraimbilanja; lava tandroka vao lasiventy.
soanja
6.
Sady tia bory, tia manan-tandroka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
7.
Tandroky ny andevovavy ny fisoitr'afo, sady mahay manavia no mahay manavanana.
soanja
8.
Mivadika imaso toa tandrok'ondry.
soanja
9.
Ny tsiny tsy misy maso fa mahita, tsy manantandroka fa manoto, tsy manana nify fa manaikitra, an-koditra vao mahangoly
walte
10.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
11.
Ny tsiny dia tahaka ny valan'omby tomerin-draketa : ka asakasak'izay te hankahatra loza, fa raha tsy hivoa-drĂ amin-tsilo aza tsy hamelan'i Menasanga marani-tandroka.
ontsy
12.
Natao sanga ka nanatona, natao tandroka ka nanoto
niryna
13.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
14.
Sola tsy noratraina, hono, ny akanga, menaloha tsy voadidy ny akoholahy, ary ny tandroka tsy niala tamin'ny loha omby, tsy takaitra fa voajanahary.
aivetinakely
15.
Andry ombin'Ifiringa adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo
latina
16.
Sady tia bory no tia mana-tandroka
latina
17.
itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
latina
18.
Tsy mena mivadika tahaka ny tandrok'omby sodenda
zndriana
19.
Atsipy ny tady eny atandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-po ny mahalala
doum
20.
Ny adin-kabary toy ny dontany sy kapotandroka
jentilisa
21.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka
JMR
22.
Tandrok'ombalahy : sady haingo no fiarovana
JMR
23.
Toy ny mpamosavy tsy mba mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
jentilisa
24.
Tsy misy tandroka ny ratsy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0614