Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tolo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tolo
Hampiditra ohabolana
1.
Boka mangalatra voatavo, mifampitolona samy malama
aivetinakely
2.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay tsy mitandrina vaky loha.
Ligo
3.
Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an´izay manam- paniriana handresy
tovorandria
4.
Andevolahy nahazo fiandrianana ka lanjao aho anio tontolo andro.
aivetinakely
5.
Boka mitolom-boatavo ,tafaray samy malama
ravelobe
6.
Bala hamatra ny marina ka tsy azo atifitra toloho
yveratsimb
7.
Ataovy toy ny fanolotra atody ka atolotra mbamin'ny akorany
aivetinakely
8.
Aleo ravim-bohoimanga tsy arahin-dromoromo,toy zay hanim-pitoloha arahin-datsa
andrebabe
9.
Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
10.
Tolo fa natao zao toy, ka mamihy avao tegna ndre ambany.
sadranga
11.
Faly sahirana tahaka ny vahiny tolorana vozon'akoho, jeren'ny maso toa hena azo hanina fa tsakoin'ny nify toa taolana mikarepoka.
thonli
12.
Fiadanana tsy natolotra fa nokarohina, very hasina raha tsy nanajàna havana.
aivetinakely
13.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
14.
Zandry tsy mahandry lova hatolotra ka mamosavy ny zoky tsy ampiheverana.
aivetinakely
15.
Vady notoloram-pahefà na, ka manitsa-boninahitry ny rafozana.
aivetinakely
16.
Vazo natolotra alina, mizàka ny vokatry ny anjara.
aivetinakely
17.
Boka mangala-boatavo, mifampitolona samy malama
aivetinakely
18.
Vady tsy lasam-bodiondry, sady tsy ara-dalàna no tsy toloram-pahefàna.
aivetinakely
19.
Vorona tsy antanana tsy atolo-jaza
sylvoalias
20.
tolo-kena maty jiro ka miankina amin'ny vintana sy anjara
elyzo
21.
Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
22.
Ny valala tsy an-tanana hono tsy atolo-jaza
niryna
23.
Boka mangala-boatavo ka mifampitolona samy malama.
aivetinakely
24.
Valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza.
aivetinakely
25.
toy ny momba: noana, tsy manan-kangatahana, voky tsy manan-kotolorana
latina
26.
manao tolon'ilaikavia: ny an-ilany tsy lavo, ny an-ilany tehafi-maso
latina
27.
Mitolona am-batolampy ka izay ratsy fihazona no vaky loha
latina
28.
Mitolona anaty rano ka samy lena
latina
29.
Mitolona am-bovon-tany, ka samy mavo
latina
30.
tolo-kena maty jiro, ka vintana no andrasana
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1089